Vehivavy roa sy enin-dahy voasambotry ny polisim-pirenena tao amin’ny fokontany Antsahabe avaratra, kaominina Mandritsara, omaly maraina. Nahatratra mpangalatra ny fokonolona teo amin’ny fokontany Ambalanantsotry, io talata maraina io. Natahotra mafy ny ainy sy iharan’ny fitsaram-bahoaka, nitoroka ireo namany sy mpiray tsikombakomba taminy io lehilahy io. Nikasa hanaparitaka vola sandoka tao […]
Taratra
Avy nivarotra sakay: lehilahy 68 taona hita faty tapa-doha
Misesisesy ny fahafatesan’olona mampiahiahy sy feno habibiana tato ho ato. Raim-pianakaviana iray hita faty notapahan-doha, omaly. Avy nivarotra sakay tany Antsirabe izy io ary taraiky hariva teny an-dalana ka izao nisy namono izao. Raim-pianakaviana iray, 68 taona, hita faty tapa-doha, omaly vao maraina, tamin’ny lalana mankany amin’ny tanànan’Antompombohitra, fokontany soavina […]
Judo – « Commission Vétérans-Kata »: Nizara traikefa tetsy amin’ny Petit Palais Mahamasina
Hetsika iray efa fanaon’ny “Commission Vétérans-Kata” nanomboka tamin’ny taona 2024, ny fifampizarana traikefa ho an’ny zokiolona sy ireo mpanao Kata. Mpikatroka sokajy Vétérans 50 teo nisitraka izany teny amin’ny Petit Palais Mahamasina. Toy ny natao tamin’ny taona 2024, nanatontosa hetsika tetsy amin’ny Petit Palais Mahamasina, ny faran’ny herinandro teo, ny […]
SOMBIM-BAOVAO
Notontosaina ny 21 marsa lasa teo, tany Boeny, ny fifidianana izay ho filohan’ny ligy, taranja Taekwondo WT. I Vaha Simone Alice no voafidy hitantana indray izany. Fifidianana, nokarakarain’ny Comité Ad-hoc ny Fédérasionina malagasy TKD, ary natrehin’ny Talem-paritry ny Tanora sy fanatanjahantena tao Boeny mpisolo toerana sy ny lehiben’ny sampandraharaham-paritry ny […]
Tsipy kanetibe : Izay klioba ara-dalàna no mifidy
Taonan’ny fifidianana ity 2025 ity, ho an’ny Federation sport boule malagasy (FSBM). Nambaran’ny tomponandraikitra tao amin’ny tambanjotra seraserany, ny 17 marsa lasa teo fa izay klioba ara-dalàna ihany no manan-jo mifidy. Araka izany, notsiahivin’izy ireo fa tokony hanavao ny taratasy manamarina ny fisiany ireo ekipa rehetra mihoatra ny 4 taona. […]