Taratra

Toamasina : Vonona ny fotodrafitrasa handray ny SPSM

Mihatrana ny tanànan’i Toamasina handray ny fihaonamben’ny fikambanan’ny mpiasan’ny fahasalamana eto Mada­gasikara (SPSM) manomboka ny 29 hatramin’ny 31 aogositra izao. Iray tsy mivaky ny mpiasan’ny fahasalamana itambaran’ny dokotera, paramédicaux sy mpandraharaha mampihodina ny tobim-pahasalamana, hoy ny tompon’andraikitra Andriam­bololoniaina Fidinirina Désire. Efa vonona ny fotodrafitrasa handraisana ny hetsika rehetra. Vonona ny […]

PAM-CUA ary BNGRC: Manamafy ny fahaizana sy ny fahavononana amin’ny vonjy taitra

Mampihena ny takaitra ny fananana fahaizana mamolavola izay miantoka ny fahavononana rehefa misy voina. Ilaina koa ny fanaovana fanazaran-tena. Tanterahina mandritra ny roa andro, eny Anko­rondrano, nifarana oma­ly, ny atrikasa fanamafisana ny fahaizana mamolavola sy miantoka ny fahavononana amin’ny vonjy taitra. Ny fandrindrana momba ny fanazaran-tena araka ny fomba fiasa […]

« Labdihy » andiany faha-11: Hanambatra talenta roa ny « Tezambita velona »

Nosokafana, omaly, tao amin’ny Institut de civilisation musée d’art et d’archéologie université d’Antananarivo (ICMAA) Isoraka ny Labdihy. Hetsika manasongadina ny tontolon’ny dihy sy ny asa fa­moronana ao anatiny. « Tete­zambita velona », anarana sy lohahevitra isaloran’ity an­diany faha-11 ity. Hanambatra talenta roa ananan’i Maromaitso sy Hani­triombalahimbaviantitra. I Maro­maitso (Ariry) eo […]

Fandresena ara-diplomatika : Tafaverina amin’i Madagasikara ny kabeson’ny Ampanjaka Toera

Tafiditra ao anatin’ny maherifon’ny firenena ny Ampanjaka Toera sy ireo mpitari-tafika notapahin-doha ny taona 1897. Nentin’ny mpanjanaka tany aminy ny kabeson’izy ireo… Omaly no namerenan-dry zareo izany. 128 taona aty aori­an’ ny namonoana sy nanapahan-doha azy (alin’ny 29 aogositra 1897). Natolotry ny fanjakana Frantsay tamin’ny fomba ofisialy, omaly, tao Paris […]