Taratra

FANTINA sy FINTINA

Nosalorana samboady, ny herinandro teo, ireo ben’ny Tanàna miisa 86 any amin’ny faritra Fitovinany. Ahitana ny ao Manakara nanaovana ny lanonana sy ny any Vohipeno ary Ikongo. Nitarika izany ny loholona isany, Rabemananjara Nicolas sy Raymond ary Ndremanjary Jean André. Samy nilaza izy ireo fa tsy misy kaominina hadino izany […]

Vahoaka miray: “Mila sorohina ifotony ny tsy fandriampahalemana”

“Raha tsy voasoroka hatrany amin’ny fotony, tsy voavaha io olana io. Eo ny tsy fisian’ny famoronana asa. Mihalava ny hantsana mampisaraka ny manan-tsaina sy ny mahantra”. Io ny fanehoan-kevitry ny sekretera jeneralin’ny antoko Vahoaka miray (Vami), Rakotondrazanany Gabriel Harisoa na i Gaby Vakiniadiana, momba ny tsy fandriampahalemana amin’izao. Tsy miasa […]

Miara-mirona

  Anisan’ny manamarika ity herinandro vaovao ity ny fiverenan’ny fitiavan’ny Malagasy ny taranja baolina kitra. Na inona na inona vokatra nivoaka dia mazava fa tanatin’ny firaisam-po sy saina tanteraka no niarahana niaina ny lalao indroa miantoana nataon’ny Barean’i Madaga­sikara. Tena hoe niara-nirona tokoa. Baolina aloha izay no vita, mbola hisy […]

Atrikasam-pirenena MFFT sy ny MPEB: Hohatsaraina ny fitantanana ny ranomasina

Notanterahina teny Andrainarivo, omaly, ny atrikasam-pirenena fakan-kevitra momba ny ranomasina. Napetraka tamin’izany ny tanjona iraisan’ireo mpisehatra rehetra. Samy naneho fahavononana handray andraikitra amin’ny fitantanana maharitra ny ranomasina ireo mpisehatra rehetra. Anisan’ izany ny avy amin’ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT), ny minisiteran’ny Jono sy ny toekarena manga […]

TSELATRA

Lehilahy iray tratran’ny polisim-pirenena teo am-pamakiana trano tany Toamasina, omaly maraina be. Nahita sy nandre io tranga io ny andrimasom-pokonolona tao Tanambao V ka niantso manam-pahefana. Nidina ifotony nijery ny zava-misy avy hatrany ny mpitandro filaminana rehefa nandre ny tranga. Vokany, lehilahy iray voasambotra teo am-panatanterahana ny asa ratsiny. Tafiditra […]