Tarika anisan’ny manana mpamoron-kira maro ny Rebika. Manahirana azy ireo hatrany ny fisafidianana izay hira halahatra, indrindra rehefa fampisehoana goavana. “Ho lava dia lava ny fampisehoana, satria hira tsy latsaky ny 70 no hataonay, izany aza ahina misy mbola andrasan’ny mpankafy tsy voalahatra ao”, hoy ny nambaran’i Nix, omaly. Mandritra […]
Taratra
“Fa tsarotsaroako…” : Hahatsiaro ireo namana efa lasa ny Feo Gasy
Feno fihetseham-po ny fitantaran’i Erick Manana… “Teny ambony sehatra no nirafitra ny tarika, tany Bordeaux. Fa avy dia nifankahazo am-panahy ka tonga amin’izao 30 aona izao”, hoy ny ampahany tamin’ny fitantarany ny tantaran’ny tarika Feo Gasy, nandritra ny fihaonana tamin’y mpanao gazety, omaly, tetsy amin’ny QG Ankorondrano. Tafavory eto Antananarivo […]
Volley-ball – Mada U15, zazalahy : Adin’ny samy zandary ny famaranana
Tontosa tany amin’ny Kianja mitafon’i Mahajanga, ny alarobia lasa teo, ny dingana manasa-dalana hiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja volley-ball, sokajy U15, zazalahy. Adin’ny samy ekipan’ny zandarimaria (GNVB) ny famaranana. Raha hiverenana, resin’ny GNVB 1, tamin’ny seta 3 no ho 0 (25/11 ; 25/7 ; 27/25) ny MVBC. Tsy niady […]
Aina Rafolo, mpanazatra ny Akomba: “Mahay fa tsy ampy lalao ny ankizy”
Fahadimy ny Akomba Madagasikara nandritra ny fiadiana ny ho tompondakan’ireo firenena aty amin’ny tapany atsimon’i Afrika (Afrique Australe), taranja tenisy, sokajy U12. “Vokatra mahavelombolo na lesoka aza ny tsy fahampian’ny fifaninanana”, hoy i Aina Rafolo, mpanazatra ny ekipa. Gazety Taratra (*): Fahadimy ny Akomba nandritra ny “Afrique Australe” taranja tenisy […]
Mission économique Canada: Miara-miasa ny Cancham sy ny FinTech
Vita sonia ny alarobia teo ny fifanaraham-piaraha-miasa eo amin’ny Antenimieran’ny varotra sy ny fiaraha-miasa Kanada-Madagasikara (Cancham) ary ny FinTech sy ny Vanilla Pay International. Tanjona ny hanamora ny fandoavam-bola sy hahafahan’ny orinasa malagasy miditra amin’ ny tsena kanadianina. Hisitraka izany voalohany ireo mpandraharaha handray anjara amin’ny Mission économique et commerciale […]





