Misesisesy ny lozam-pifamoivoizana tato ho ato. Afakomaly sy omaly, telo ny voina niseho teto Antananarivo sy ny manodidina. Olona roa no namoy ny ainy ary am-polony naratra. Vehivavy iray 27 taona, maty tsy tra-drano niharan’ny lozam-pifamoivoizana tetsy By-Pass, ny alin’ ny alarobia hifoha omaly alakamisy. Nitondra moto marika RS izy […]
Taratra
Hetsika ara-pahasalamana – IMM: Ankizy 25 hatao échographie maimaimpoana
“Alahady ho an’ny Fiainana, fahasalaman ho an’ny fiarahamonina 100%”. Io no tarigetran’ny hetsika ara-pahasalamana tanterahin’ny Institut médical de Madagascar (IMM), ny alahady izao. Ankizy tsy salama, vao teraka hatramin’ny 12 taona, miisa 25, mila fitarafana maika ho fanaraha-maso ny fahasalamany na ho vonjy aina ho azy ireo no hatao échographies […]
INDRAY MIJERY
Nahatratra 5 355 ny trangana Mpox niseho, 2 598 ireo sitrana ary 23 namoy ny ainy, nanomboka ny 18 desambra 2025 hatramin’ny 25 aogositra lasa teo. Enina ny tranga voamarina ny 25 aogositra, 74 ny distrika voakasika. Nahatratra 241 ny tranga voamarina tao anatin’ny efatra herinandro farany, araka ny voalazan’ny […]
Fanatsarana ny fiomanana: Nohamarinina ny fiveloman’ny tokantrano
Notanterahina tao anatin’ny roa andro ny atrikasa fanamarinana ireo mombamomba ny toe-karena sy ny fiveloman’ny tokantrano eto Madagasikara, tao anatin’ny tetikasa “Fews Net 8 Base de connaissances”, miaraka amin’ny famatsiam-bolan’ny Chemonics. Niara-niasa tamin’ny BNGRC ho fanatanterahana izany ireo mpiara-miombon’antoka. Anisan’izany ny Adventist Development and Relief Agency Adra sy ny Welthungerhilfe, […]
MESUPRES : Hampakatra ny laharan’ny oniversite sy ny voka-pikarohana malagasy
Efa miroso amin’ny fanatsarana ny voka-pikarohana sy ny laharan’ny oniversite eto Madagasikara ny eo anivon’ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa. Atao amin’ny alalan’ny fampidirana sy fampiasana ny Vovonana iarahan’izy ireo miasa amin’ny sehatra tsy miankina sy ny CIDST izany. “Mamokatra voka-pikarohana maro isika eto Madagasikara nefa tsy fantatry […]





