Taratra

Minisitry ny Raharaham-bahiny : «Hiditra amin’ny fivorian’ny filankevitry ny minisitra ny Sadc»

Amin’ity herinandro ity, hiditra amin’ny fivorian’ny filankevitry minisitra ny firenena mpikamban’ny Sadc, izay hatao amin’ny 12-14 aogositra ho avy izao, araka ny fanazavan’ny minisitry ny Rahara­ham-bahiny, Rasata Rafa­rava­vitafika, teny Anosy, ny faran’ny herinandro teo. Ankoatra izany, hisy ny dinika hiarahan’ny firenena mpikamban’ny Sadc miaraka amin’i Etazonia. Handinihana ny hoavy sy […]

Tsy bodo na bado…

  Mbola misy ny hoe manao ady sisika tsy hanatanterahana ny fihaonana an-tampon’ny Sadc eto Madagasikara? Eny, na hita izao aza fa efa ao anatin’izany tanteraka izao. Roso ka tsy mimpody koa… Tsy mendrika ny handray an’izany fihaonana an-tampony izany, hono, i Madagasikara, raha ny zava-misy sy iainana. Tsy izay […]

Filoha Rajoelina Andry: “Ho avy ireo filoham-panjakana eo anivon’ny Sadc”

Efa akaiky ny fihaonana an-tampon’ny Sadc. Araka ny nambaran’ny filoha Rajoelina Andry, ny faran’ny herinandro teo, hoavy avokoa ireo filoham-panjakana eo anivon’ity rafitra ity. “Niantso avokoa ny filoham-panjakana, ny avy ao Afrika Atsimo nilaza fa ho avy. Ny avy any Tanzania, ny Repoblika demokratikan’i Congo, ny Praiminisistra atsy Maurice, ny […]

TSELATRA

Nahitana karandohan’olona iray tetsy amin’ny secteur 4, ao amin’ny fokontany Nanisana, omaly tamin’ny 5 ora latsaka fahatelony hariva. Olona sendra nandalo no nahita io taolam-balo io ka nampandre ny tomponandraikitra. Niantso ny polisim-pirenena ny sefo fokontany ary tonga teny an-toerana nijery ny zava-misy izy ireo. Tonga naka io karandoha io […]

Nivarotra rongony teny 67 Ha: Tanzaniana naiditra eny Tsiafahy

Notanana vonjimaika eny amin’ny fonjaben’i Tsiafahy ny lehilahy mpivarotra rongony mahery vaika, ny zoma 8 aogositra teo. Teratany vahiny mpanamparitaka rongony mahery vaika “Cristal me­tham­phe­tamine” sady mpidoroka izany, nosamborin’ny polisy misahana ny ady amin’ny fiparitahan’ny zava-mahadomelina, teny 67 Ha Avaratra, ny 6 aogositra teo. Naharay loharanom-baovao ny polisy momba ny fisiana […]