Nanatanteraka atrikasa niarahana tamin’ireo talen’ny toeram-pampiofanana, misehatra amin’ny secteur Textile Habillement et Accessoires (THA) miisa 37 sy ny « responsables en insertion et orientation » ao amin’izy ireo ny direction de l’Apprentissage et de la formation Initiale ao amin’ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa. Tanjona ny hananganan’ireo toeram-piofanana […]
Taratra
Fitahirizam-baksiny – USAID Impact : Nanolotra vata fampangatsiahana miisa 17
Nidina tany Toamasina ny talen’ny USAID vaovao, Michele Russell, nanolotra vata fampangatsiakana mandeha amin’ny herin’ny masoandro miisa 17 sy efitra voavoatra fitehirizam-baksiny. Nandray izany ny minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, Randriamanantany Zely. Amin’ny alalan’ny tetikasa “USAID Impact”, izay tanterahin’ny PSI Madagascar no nanolorana ireo fitaovana. Hatramin’ny taona 2018, nahatratra 14 ny générateurs […]
Krismasy : nizarana kilalao ny ankizy ao amin’ny Seba
Ankizy 216 ao amin’ny Akany Fianakaviana miarina na Seba Isotry no nisitraka kilalao avy amin’ny tetikasa Ankizy Krismasy (TAK), omaly, niarahana tamin’ny minisiteran’ ny Mponina sy ny firaisankina, notarihin’ny minisitra Razafinjato Aurélie. Fanomezana avy amin’ny ankizy any Amerika ireo zaraina amin’ny ankizy eto Madagasikara ireo. Misantatra sahady ny fetin’ny Krismasy ireo […]
Iarahana amin’ny Unesco : Tombanana ny fitaovana enti-mampianatra eny an-tsekoly
Manohana ny firenena aty atsimon’i Afrika ny Agence Française de développement (AFD) hanatsarana ny rafitry ny fanabeazana. Tafiditra amin’izany ny famokarana sy ny fanapariahana ny fitaovana enti-mampianatra ho an’ny ambaratonga roa voalohany. Manao atrikasa fanombanana ireo fitaovana entina mampianatra hanampy ny mpampianatra hampita fahalalana any an-dakilasy, mandritra ny hateloana, eto […]
Tao aorian’ny fifidianana: “Marary ny firenena sy ny demokrasia”, hoy Randrianirina Ignace
Naneho ny heviny manoloana iny fifidianana ben’ny Tanàna ny 11 desambra teo iny ny filoha mpiara-mitantana ny MFM, Randrianirina Ignace na Ramasy. Nohitsiny fa betsaka ny lesoka tamin’izany. Nanomboka tamin’ny fikarakarana ny fifidianana izany ka hatramin’izao hivoahan’ny voka-pifidianana izao. “Antony nahatonga anay miteny hatrany ny tokony hanadiovana ny tokotany aloha”, […]