Taratra

Fanamboaran-dalana : Nohamafisina ny fiaraha-miasa amin’ i Egypte

Anisan’ny miara-miasa amin’i Madagasikara, amin’ny lafiny fanamboarana fotodrafitrasa i Egypte. Hita izany amin’ny fanamboarana ny lalana «Voie rapide», mampitohy an’Antananarivo sy Toama­sina, ataon’ny orinasa Sam­crete. Ho fanamafisana izany, natao Sonia, ny 25 aogositra teo, ny fifanarahana fiaraha-miasa eo amin’ny minisiteran’ny Asa vaventy (MTP) sy ny kaompania Egaad (Egyptian African Arab […]

« Fahitanavao » : Tetikasa 16 ho tohanana hitondra vahaolana

Nisongadina tamin’ireo 35 nifaninana ireo tetikasa 16 mendrika sy voafantina nandritra ny fifaninanana nasionaly momba ny fahitanavao. Fifaninanana niompana tamin’ny sehatry ny an­govo, ny fanodinana sy fanamboarana vokatra avy amin’ny fambolena sy fiompiana ary ny fanodinana vokatra eto an-toerana ity natao ity. Miavaka sy mitondra vahaolana mifandray amin’ny filan’ny Malagasy […]

FANTINA sy FINTINA

1 000 mahery ny mpikamban’ny KMF/Cnoe, mpirotsaka an-tsitrapo, manara-maso ny fanavaozana manontolo ny lisi-pifidianana, araka ny fanazavan’ny sekretera jeneralin’ny KMF-Cnoe, Arcelio Tolojanahary Avisoa, teny Antanimena, omaly, ny amin’ny hoe tsy fisian’ny antoko politika sy ny fiarahamonina sivily ao amin’ny Vaomiera ifotony misahana ny fanisana mpifidy (CLRE). Andraikitry ny antoko politika […]

HVM : “Tsy mbola atokisan’ny antoko politika ny Ceni”

“Inona moa no tena nahatonga an’io? Tapaka ny fifampitokisana amin’ny rantsamangaikan’ny Ceni. Leo ny olona, nanomboka tamin’ny 2010 hatramin’izao, tsy mbola manana fahatokisana azy ireo.” Io ny fanehoan-kevitry ny filoha nasionalin’ny antoko HVM, Rakotovao Rivo, manoloana ny fanakianana fa tsy mandray andraikitra ny antoko politika amin’ny fanabeazana sy ny fanentanana […]