Taratra

Fitoriana eny amin’ny “Cybercriminalité”: Mihenjan-droa ny tady eo amin’ny Ceni sy ny Sénat

Mihenjana ny tady eo amin’ny Vaomieram-pirenena misahana ny fifidianana sy ny Antenimierandoholona. Ny fitoriana ilay filoha lefitry ny Ceni, Andriamalazaray Andoniaina eny amin’ny brigady misahana ny heloka ana habaka no fototr’izany. Mafampana ny toe-draharaha! Nam­piaka-peo ny filohan’ny Ceni, An­drianarisedo Dama Arsène, notronin’ ireo mpikamban’ny Vaomieram-pifidianana, omaly, tetsy Alarobia. Melohin’izy ireo […]

Faritra Atsimo Andrefana : « Ho fitaratra amin’ny fampandrosoana”, hoy ny governora Tovondrainy Ranoelson Edally

Anisan’ny fifaninanana masina ahazoana ny tanàna madio eto Mada­gasikara ny faritra Atsimo Andrefana. Mifanaraka amin’izay, ny famitana ny toky nomen’ny filohan’ny Repoblika mba hitsohan’ny rivo-pampandrosoana avy any Atsimo. Mizara ny fomba fijeriny ny governora Tovon­drainy Rano­el­son Edally. Gazety Taratra (*): Tao­rian’ny fandalovan’ny filohan’ ny Repoblika, Rajoelina Andry, tompoko, inona no […]

TARATRY ny KANTO

Nahemotra ny 10 jona, ny fara-fandraisana ireo video ho an’izay handray anjara amin’ny fifaninanana “Tafan-gilita”. Natao ho an’ireo mpitendry gitara tsy mbola malaza, kanefa mahafehy izany izy ity. Aorian’io daty io, hiroso amin’ny dingana voalohany ireo mpitsara, hamoaka ny anaran’ireo 50 hiatrika ny dingana manaraka. Ambara amin’izay ihany koa ny […]