Taratra

Karate – Tompondakan’Analamanga : Nisavoritaka fa nisy seksiona roa Antananarivo

Nisy disadisa ny fiadiana ny ho tompondakan’ny ligin’ Analamanga, taranja karate ny sabotsy lasa teo, teny amin’ ny kianja mitafon’Ankatso. Nanana seksiona roa mantsy Antananarivo Renivohitra tonga teny an-toerana ka izay no nisian’ny olana. «Nahavita ny fiadiana ny ho tompondakan’ny seksiona izahay ny 22 aogositra lasa teo. Nahazo tapakila hiatrehana […]

Barean’i Madagasikara : Nesorina tanaty lisitra i Zacharie Boucher

Taorian’ny kiana sy fanehoan-kevitra isan-karazany, nalana tao anatin’ny lisitry ny Barea i Zacharie Boucher. Nitsipaka ny fanapahan-kevitry ny mpanazatra ny federasionina. Nikoropaka ny Federa­sionina malagasin’ny baolina kitra (FMF) manoloana ny fanehoan-kevitry ny mpankafy baolina kitra. Ireto farany izay tsy manka­sitraka ny fanendrena an’i Zacharie Boucher ho mpiandry tsatoby ny Barea. […]

Fitsarana ny fifidianana : Mitaky fomba fitoriana tsotra ireo ben’ny Tanàna

Anisan’ny tolokevitr’ireo ben’ny Tanàna, natolotra teny Iavoloha ny momba ny fitsarana sy fitarainana eo anivon’ny HCC. Tokony ho antoka iray lehibe amin’ny demokrasia ny zo hanao fitarainana. Navoi­tran’ireo ben’ny Tanàna amin’izany tolokevitra ho fanatsarana ny fifidianana izany ny fitsipika momba ny fitoriana eo anivon’ny HCC. « Tokony ha­zava tsara ny antony […]

Ralaiseheno Guy Maxime : « Tokony hiaiky ny fahadisoany ireo depiote »

Nohamafisin’ny mpanolotsaina manokan’ny Filohan’ny Fanavaozana, Ralaiseheno Guy Maxime, fa anisan’ny manana fahadisoana amin’ny zava-miseho ankehitriny ny depiote. Tokony hiaiky heloka izy ireo, hoy izy. Naneho ny heviny manolona ny toe-draharaham-pirenena ny mpanolotsain’ny filohan’ny fanavaozana sady mpitarika ny vondrona Komity ho an’ny fanorenana ifotony (KFIM), Ralaiseheno Guy Maxime. Tsy nitsitsy fitenena […]

INDRAY MIJERY

Manoloana ny toe-draharaha ara-pahasalamana nampanahy any amin’ny kaominina Ambanivohitr’Ampa­sinambo – Fasintsara. Efa ao anatin’ny fanomanana sy fivoriana maika ho fandrindrana ny minisiteran’ny Fahasa­lamam-bahoaka amin’ny alalan’ireo sampan-draharaha voakasika ao Ifanadiana. Araka ny tatitra voaray teny ifotony, 18 ny fahafatesana voarakitra tao Fasintsara, raha 18 kosa tao Am­pasinambo, ka 14 fahafatesana teny […]