Ravan’ny zandary eo anivon’ny vondron-tobim-paritra Ambohidratrimo ny tambajotran-jiolahy mpanao fanafihana mitam-piadiana. Efa-dahy niaraka naiditra am-ponja. Niakatra fampanoavana, notanana vonjimaika eny amin’ny fonjaben’i Tsiafahy, ny olon-dratsy roa raha toa ka nalefa ao Antanimora ny roa lahy namany, afakomaly. Mikambana anatin’ny tambajotra mpanao fanafihana mitam-piadiana teny amin’ny kaominina Antehiroka, ireo olon-dratsy ireo. […]
Taratra
Tsipy kanetibe – «Masters 2025» : Tsy hiatrika ny dingana fahatelo i Zigle
Hatao anio, any Cluses, ny dingana fahatelo amin’ny fiadiana ny “Masters 2025”, taranja tsipy kanetibe. Niova ny firafitry ny ekipam-pirenena malagasy amin’ity. Najanona ary nosoloina an’i Yves i Zigle. Noho ny vokatra tsy dia nahafa-po loatra nasehon’ity tompondaka maneran-tany amin’ ny “tir de précision” ity, no anton’ izany, raha ny […]
SOMBIM-BAOVAO
Tsy afaka handray anjara amin’ny “Grand Slam”hatao any Mongolie manomboka ny 25 jolay izao, ny malagasy mpikatroka, Rasoanaivo Razafy Laura. Nambarany fa noho ny olana eo amin’ny sidina no anton’izao tsy fahafahany mihazo an’i Mongolie izao. Tsy afaka miatrika ilay fiofanana ny 28,29,30 jolay izao ihany koa izy. Milamina ny […]
Coach John Douaglin : “Nijerena ny lesoka ny lalao tamin’i Côte d’Ivoire”
Naneho ny heviny ny mpanazatra ny Ankoay, taorian’ny lalao nifandonan’i Madagasikara tamin’ny ekipan’i Côte d’Ivoire, ny talata lasa teo. Fifaninanana tafiditra anatin’ny fanomanan-tenan’ny ekipa malagasy ho fiatrehana ny « Afrobasket 2025 » hatao any Angola, ny volana aogositra izao. “Lalao natao indrindra hijerena ny hanohizana ny lalana iny lalao iny”, hoy […]
Barea Chan : Mbola baraingo amin’ny maro ny tsy fivoahan’ny lisitra
Efa dila ny fe-potoana. Omaly no fotoana farany nomen’ny Kaonfederasionina afrikanina handefasana ny lisitry ny Barea A’, izay hiatrika ny “Chan 2024”. Hatramin’ny omaly, ora nanoratanay, tsy mbola nivoaka izany. Raha tsy misy indray ny fiovana farany, hivoaka anio. Afaka sivy andro eo sisa, hiatrika ny “Chan 2024”, izay hotontosaina […]




