Tranom-piantohana lehibe indrindra eto Madagasikara ny Assurance Aro. Tanjony ny hidiran’ny Malagasy amin’ny sehatry ny fiantohana isan-karazany. Niorina ny taona 1935 ny orinasa fiantohana « La Préservatrice », niova ho «Préservatrice Madagasikara» ny taona 1974. Taorian’ny nandraisan’ny fanjakana ny orinasa vahiny, lasa Aro (Assurances Réassurances Omnibranches) ny anarany, ny taona 1975. Maro […]
Taratra
Ampitatafika : Lehilahy mpanao hosoka naiditra am-ponja
Mpanao laza adina ho an’ny fanadinana BEPC hosoka sady mandika boky tsy nahazoana alalana iray naiditra am-ponja, omaly. Naharay fitarainana ny polisy misahana ny ady amin’ny fanaovana hosoka (BAP) fa misy olona misandoka sy manao dika mitovy ny boky iray tsy nahazoana alalana. Manamboatra laza adina miampy dika mitovy voarakitra […]
« Salon de l’Habitat & Déstockage Pro 2025 »: Sehatra iray ho an’ny fanavaozana trano
Hotanterahina eny amin’ny Centre de conférence international (CCI) Ivato, ny 23 hatramin’ny 25 oktobra ho avy izao, ny hetsika « salon de l’habitat & déstockage pro. » Sehatra natokana ho an’ny matihanina sy ny olon-tsotra mitady vahaolana amin’ny fanorenana sy fanatsarana trano ity hatao ity, iarahan’ireo orinasa maro. Mikarakara izany ny Mada […]
Ambohimangakely : Lehilahy nahatrarana cocaïne 1,810 kg
Naiditra eny Tsiafahy, ny alatsinainy 21 jolay teo, ny lehilahy mpivarotra rongony mahery vaika tratra teny Ambohimangakely. Naharay loharanom-baovao momba io fisiana mpivarotra zava-mahadomelina mahery vaika io ny sampandraharaha misahana ny ady amin’ny fiparitahan’ny zava-mahadomelina eto an-dRenivohitra. Nanao vela-pandrika nahafahana nisambotra io lehilahy voatondro io ny polisy, tamin’ny 19 jolay […]
Nirefodrefotra ny basy tao Toamasina: Jiolahy efatra indray lavon’ny polisin’ny Fip
Nisento tokana indray ireo mponina ao Toamasina taorian’ny fahafatesan’ireo jiolahy efatra raindahiny, afakomaly. Teo am-panaovana ny asa ratsiny ry zalahy no nifanehatra tamin’ny polisy. Nirefodrefotra ny basy tao amin’ny fokontany Andranomadio, Toamasina parisela 11/43, afakomaly alina, nandritra ny fifampitifirana teo amin’ny polisin’ny Fip notarihan’ny kaomisera Lapely François, sy ireo jiolahy […]




