Latsakemboka eny amin’ny EPP : 45 000 Ar hatramin’ny 65 000 Ar isaky ny ray aman-dreny

Ireo mpandraharaha no misantatra ny fanomanana ny fidirana amin’ny taom-pianarana vaovao, ho an’ny fampianarana ambaratonga voalohany sy faharoa fototra, omaly.

Nanomboka nandray ny asany, omaly, ny mpandraharaha eny amin’ny sekolim-panjakana hikarakara ny fidirana amin’ny taom-pianarana 2026-2027. Miroso amin’ny fanomanana ny tomponandraikitra amin’izany ka tafiditra ao ny fandraisana ireo hisoratra anarana. Ho an’ny EPP iray eny amin’ny Cisco Avaradrano, raha vao vita ny fandraisana ny fanadinana BEPC dia efa nivory nanapaka ny sorabola latsakemboka haloan’ny ray aman-dreny ny rehetra, miaraka amin’ny Feffi. “45 000 Ar isaky ny ray aman-dreny no aloa eny amin’ny Smmec. Ho an’ireo 250 mpianatra efa naka ny carnet tany amin’ny EPP, ny 210 no nahatontosa ny fanefana ny vola. Samy manana ny fandaminany ny ray aman-dreny fa tokony ho vita mialoha ny 7 septambra ho avy izao kosa izany”, hoy ny talen-tsekoly.
Fepetra vaovao noraisiny ny fandrotsahana ny lelavola eny amin’ny rafitra manokana manomboka izao.
Ho an’ny EPP iray ato amin’ny Cisco Antananarivo Renivohitra kosa, 64 000 Ar ny sorabola tapaka fa haloan’ny ray aman-dreny na firy na firy ny zanany mianatra ao amin’ilay sekoly. Misy ihany ny fifanarahana azo atao raha misy ny fahasahiranana ka mandoa araka ny fahafahany ireo ray aman-dreny. Misy manararaotra tsy manefa mihitsy ny sorabola hatramin’ny fiarafan’ny taom-pianarana ny sasany. Mametraka olana ho an’ny mpitantana ny sekoly izany. Hojerena manokana izay tranga izay amin’ity taom-pianarana ity, araka ny fanazavany.
Hanakaramana ny mpampianatra Fram tsy mbola misitraka fanampin-karama avy amin’ny fanjakana sy ny mpiambina ny tanàna no ampisana ny latsakemboka avy amin’ny ray aman-dreny, amin’ny ankapobeny.
Hiverina an-tsekoly ny 31 aogositra ny mpampianatra rehetra, hametraka ny lamina momba ny fandaharam-potoana mandritra ny taona raha ny 7 septambra ny daty hidiran’ny mpianatra, araka ny toromariky ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena.

Vonjy

Partager sur: