Taratra

Fitantanana ny fananantany : Nankasitrahin’ny Banky iraisam-pirenena ny MFFT

Mandalo eto Madagasi­kara ireo iraka manokana ara-teknika eo anivon’ny Banky iraisam-pirenena. Noraisin’ny minisitry ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT), Andriantsitohaina Naina, tetsy Anosy izy ireo, omaly. Voaresaky ny roa tonta ny fizotry ny fanadihadiana momba ireo tetikasa atao mba hahafahana mametraka paikady eo amin’ny fananantany. Nohazavain’ny minisitra tamin’ireto […]

Tsy hery fa tahotra

  Hivoaka amin’ny fahanginany ny Filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry, rahampitso. Hiresaka mahakasika ny fanapoizinana teny Ambohimalaza amin’ireo fitaovam-pifandraisana an’ny fanjakana ny tenany. Inona no ambarany? Inona ny zava-baovao, tsy hita eny amin’ny tambajotran-tserasera hifampizarany? Ho sahy hamoaka ny anaran’ireo mpitondra ambony, voantonontonona ve izy, raha misy tokoa izany? Amin’ny maha […]

Fanapoizinana teny Ambohimalaza : Hanazava ny toe-draharaha ny filoha sy ireo minisitra

Hampanantsoin’ny filoha Rajoelina Andry eny Iavoloha ireo minisitra tomponandraikitra mahakasika ny fanapoizinana niseho teny Ambohimalaza. Hivantana amin’ny TVM/RNM izany ny alakamisy alina izao. Nambaran’ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry, tao amin’ny pejy “Facebook” ny, omaly, fa mametraka ho laharam-pahamehana hatrany amin’ny fa­nam­barana ny marina manoloana ny vahoaka malagasy ny tenany, indrindra […]

TSELATRA

Lehilahy mpangarom-paosy sady mpanao sinto-mahery voasambotry ny polisy teny Anosy, ny alatsinainy 21 jolay teo. Nifanenjehana io olon-dratsy avy nanao ny asa ratsiny io. Tratra izy ka nosavaina. Finday halatra miisa efatra sarona teny aminy. Nentina natao famotorana teny anivon’ny kaomisarian’ny polisy ity farany. Taksiborosy mampitohy an’i Mahajanga sy Antananarivo, […]

Nandroba Cash point: Gadra nandositra ny iray tamin’ireo jiolahy

Ravan’ny mpitandro filaminana ny fikambanan-jiolahy nandroba tompona Cash point tao Mananara Avaratra, ny 20 jolay teo. Nitrangana fanafihana niharo fandratrana olona miisa roa tao an-toerana, ny harivan’ny 5 jolay, tamin’ny 7 ora sy sasany. Nodarohan’ ireo tsy valahara izy mivady ary norobainy ny vola mitetina 8 tapitrisa Ar mahery. Norao­fin’ireo […]