Olona roa, anisan’ny fianakavian’ireo 31 namoy ny ainy, momba ny fanapoizinana ara-tsakafo teny Ambohimalaza, nohainoin’ny fampanoavana, teny amin’ny Lapam-pitsarana Anosy, omaly maraina. Nalaina am-bavany teo anatrehan’ny mpitsara mpanao famotorana ireo olona izay nametraka fitoriana hiampangana an’i Fenohasina tompom-pety sy ny reniny. Ireo fianakavian’ny maty ireo izay mitaky ny hamoahana ny […]
Taratra
Nanondraka anana vao maraina : Rangaha maty tao anaty dobo
Nivoaka ny trano vao mangiran-dratsy hanondraka voly ny raim-pianakaviana iray. Vatana mangatsiaka hany sisa nalain’ny fianakaviany tao anaty dobo, teny Soavina Atsimondrano, omaly. Raim-pianakaviana, 54 taona, namoy ny ainy tampoka ka hita faty tao anaty dobo, teny amin’ny fokontany Ambihivy, kaominina ambanivohitra Soavina, distrika Atsimondrano, omaly. “Hanondraka fambolena vao maraina […]
Judo: Nahazo tsodrano tamin’ny MJS i Laura
Toy ny taranja hafa, anisan’ny nisitraka fanohanana avy amin’ny fitondram-panjakana ihany koa ny taranja Judo, tamin’ny alalan-dRasoanaivo Razafy Aina Laura, izay hiatrika ny fifaninanana “Grand Slam d’Oulanbator” any Mongolie, ny 26 jolay ho avy izao. Hisy ihany koa ny fiofanana mandritra ny hateloana ataon’i Laura aorian’ny fifaninanana, ny 28, 29 […]
SOMBIM-BAOVAO
Hotanterahina ny 23 jolay izao, any Nizeria, mandritra ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja karate, ny fivoriambe arahina fifidianana, eo anivon’ny Ufak (Union Federation African of Karate). Anisan’ny handray anjara amin’ny fifidianana ny filohan’ny federasionina ny Karate-do Malagasy, Ratefinanahary Emile, izay efa any an-toerana. Nahita fahombiazana nandritra ny lalao […]
CUA : Hikarakara fialamboly ho an’ny ankizy
Nambaran’ny ben’ny Tanànan’Antananarivo Renivohitra (CUA), Ramanantsoa Harilala, tetsy amin’ny Lapan’ny tanàna Analakely, omaly, fa hanomboka amin’ny alarobia ho avy izao, etsy amin’ny Kianja Alarobia, ny hetsika « CUA mampilalao kilonga». Natokana ho an’ny ankizy rehetra, 4-17 taona. Taranja telo no hatao dia ny baolina kitra, Rugby ary ny atletisma. Tanjona […]




