Navoakan’ny Federation Sport-boule malagasy (FSBM), ny faran’ny herinandro teo, ny anaran’ireo ankizy efatra mianadahy hiatrika ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany, taranja tsipy kanetibe, sokajy zandriny Juniors. Sarotra ny fifantenana satria samy sangany ireo nitiliana. Nifarana ny alahady lasa teo, teto Antananarivo, ny fampivondronana nifantenana ireo mpilalao zandriny, tsipy kanetibe […]
Taratra
Fiaraha-miasa amin’ny GIZ : Mitaky mangarahara hatrany
Manamafy ny fitantanana mangarahara amin’ny fiaraha-miasa ny “Deutsche Gesellschaft für Internationale Zusammenarbeit – GIZ”, Alemana, amin’i Madagasikara. Niompana amin’izany fangaraharana izany ny fampahafantarana ny GIZ tamina faritra maro teto Madagasikara notanterahina ny herinandro teo. Anisan’ny nasongadina tamin’izany ny fametrahana ny fitantanana mangarahara sy ara-drariny amin’ny fomba fanao. Tafiditra ao anatin’izany […]
Toliara: Nahomby ny fihaonambem-paritra ara-toekarena
Resy lahatra ny rehetra fa hampiroborobo ny seha-pihariana hafa, ny fisian’ny orinasa vaventy mitrandaka harena an-kibon’ny tany. Anisan’izany ny tetikasa Base Toliara. Tapitra ny 18 jolay teo ny Fihaonambem-paritra ara-toekarena (FER), andiany faharoa tany Toliara. Lohahevitra noraisina ny hoe « Fampandrosoana ny faritra Atsimo Andrefana, fampiroboroboana sy fanamafisana ny fifandraisana ara-toekarena […]
Ramanoelina Herilaza na i Lesabotsy : Mpilalaon’ny Makis fahiny, efa niaraka nilalao baolina tamin-dry Bolida sy Voavy Paulin tao amin’ny Ajesaia
Maro amin’ireo Malagasy mpilalao tao amin’ny ekipam-pirenena fahiny, misehatra amin’ny taranja ara-panatanjahantena hafa tany am-piandohana. Anisan’ ireo efa nilalao baolina kitra, tao amin’ny Ajesaia, Ramanoelina Herilaza na i Lesabotsy, Malagasy mpilalao tao aminn’ny Makis, fahiny. Raha mbola lalao Rugby no resahina, tsy mbola lefy laza izany anarana hoe: « Lesabotsy » […]
Andiany MANAMPI : Polisy 80 mianadahy nahavita fianianana
Tontosa omaly tolakandro, tao amin’ny Lapan’ny fitsarana Anosy, ny lanonam-pitsarana fandraisana ny fianianana amin’ny maha mpikaroka fandikan-dalàna ireo Commissaire de police sy Officier de police miisa 80 mianadahy avy amin’ny andiany Manampi. Marihina fa Commissaire de police ny 30, raha Officier de police kosa ny 50. Natao izao fianianana izao […]




