Rose, mpanakanto andriambavilanitra, zanak’Antsohihy, nahavita dingana lehibe tao anatin’ny fotoana fohy. Tombony ho azy ny efa nilonany an-taonany maro tao anatina antoko mpihira (chorale). Ankoatra io, fanomezam-pahasoavana goavana ny fananan’i Rose ilay feo somary migobona (hahenoana beso) nefa kanto. Tsy faheno loatra amin’ireo vehivavy mpanakanto miangaly mozika eto Madagasikara io […]
Taratra
AFT ANDAVAMAMBA : Hasongadina ireo vehivavy
“Elles: Femmes et auteurs de nouvelles histoires ». Lohahevi-dehiben’ny fihaonana izay hatao etsy amin’ny AFT Andavamamba, anio, manomboka amin’ny 2 ora io. Fotoana hanasongadinana ireo vehivavy misehatra amin’ny tontolon’ ny kolontsaina izany, ka hanomezana azy ireo ny fitenenana mahakasika izay tontolo ivelarany izay. Notsoingaina tamin’ny maro i Fela Razafiarison (mpanao teatra), […]
Bapampa GladyBe : « Ho sehatra goavana ny antsasaky ny lapa”, hoy i Rossy
Sehatra 250 m², misy rihana 5 mameno ny haavo 15 m. Tsy mbola nisy toy izany aloha tao amin’ny Lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena. Anisan’ny hampiavaka ny « Bapampa Glady Be » io. «Efa an-taonany maro ny tarika Rossy no tsy nanao fampisehoana teto Antananarivo Renivohitra. Niandry foana izay mpikarakara mahazaka ny anaty […]
VAOVAO TAMBATRA
Nifarana ny tetikasa « Tontolo voajanahary lovain-jafy », any amin’ny ilany atsinanan’i Madagasikara. Voakasik’izany ny faritra arovana Tandavanala Ankeniheny-Zahamena (CAZ) sy Ambositra-Vondrozo (Cofav). Nahafahana nampihena ny faharefoan’ny tantsaha miisa 23 800. Nihena hatrany amin’ny 9 tapitrisa taonina koa ny famoahana entona karbona. Misanda 3 375 tapitrisa dolara ny fanafaran’entana nataon’i Madagasikara ny taona […]
Seha-pihariana ronono: Mamelona fianakaviana maro
Mahatratra 7 tapitrisa litatra isan-taona ny ronono miditra ao amin’ny orinasa Socolait. Miara-miasa amina mpiompy manodidina ny 3 000 sy mpanangom-bokatra miisa 8 izy. Mifandray mivantana amin’ireo mpiompy kosa ireo mpanangom-bokatra 150. Orinasa malagasy anisan’ny mamokatra sy manana vokatra maro ny Socolait. Mampidi-bola amina tokantrano maro izy no sady manome […]