Taratra

Fitrandrahana volamena : Tsy azo ampiasaina ny merkiora

Anisan’ny tena ahitana fitrandrahana volamena (AMEA) any amin’ny kaominina Antanimbary, distrika Maevatanàna, Faritra Betsiboka. An’arivony ireo mpitrandraka madinika any, nidina ifotony ny fanjakana nanentana azy ireo. Nampahafantatra ireo mpisehatra amin’ny volamena ny lalàna ny minisitera foibe avy aty Anta­nanarivo, nahitana ny mpanolotsaina teknika, ny tale jeneraly ny Ivontoerana momba ny […]

FANTINA sy FINTINA

Hitrotro am-bavaka ny dingana rehetra amin’ ny fanatanterahana ny fikaonandoham-pirenena eny amin’ny village Ivoara, amin’ny 25 aogositra tolakandro ho avy izao, ny foiben’ny Fiombonan’ny fiango­nana krisitianina eto Madagasikara (FFKM). Hatolotra amin’­ izany ireo mpandrindra nasionalin’ny ny fikaonandoham-pirenena. Tsy mifanaraka amin’ny lalàmpanorenana ny lalàna 2026-005 momba ny politika fampiasana ny teny […]

KMF/Cnoe: “Tokony hiainga any ifotony ny fifidianana”

“Tokony hiainga any ifo­tony ny fifidianana”, araka ny fanehoan-kevitry ny filoha nasionalin’ny KMF/Cnoe Fa­na­beazana olom-pirenena, i Namearison Robert, ny faran’ ny herinandro teo, ny amin’ny hoe fanatanterahana fifidia­nana voalohany amin’ny jolay 2027. Raha milaza ny lalàmpanorenana fa vondrombahoaka itsinjaram-pahefana ny fokontany, miainga amin’izay ny fifidianana. Hatramin’izao, tsy fantatra izay lalàmpanorenana […]

Mahantra, hono…

  Anisan’ny firenena faran’izay mahantra, hono, i Mada­gasikara.Na maneran-tany io, na aty Afrika, na aty amin’ ny faritry ny ranomasimbe Indianina. Samy milaza an’izay na ny vahiny; eny, na ny teratany eto an-toerana aza. Ndeha hatao hoe: hono, fa raha ny marina: firenena manan-karembevava i Madagasikara, fa ny vahoaka ao […]

Filohan’ny Fanavaozana : “Ny fihavanana no mampandroso”

Tontosa ny faran’ny herinandro, tao amin’ny kaominina Evato, distrikan’i Farafangana, ny fanamafisam-pihavanana teo anivon’ny fikambanana Tohitroky, ivondronan’ny foko valo. “Sarobidy amiko ny fihavanana. Raha tsy mihavana sy mifankatia isika, tsy handroso izany i Madagasikara. Nozaraza­raina isika nanomboka tany amin’ny fanjanahantany.” Io ny nambaran’ny filohan’ny Fana­vaozana ny Repoblikan’i Ma­da­gasikara, ny kolonely Ran­drianirina […]