Taratra

VAOVAO TAMBATRA

Dinihina mandritra ny Africa Forward, atsy Nairobi Kenya, ny hampivondronana ireo mpisehatra rehetra mitondra fiovana aty amin’ny kaontinanta afrikana. Mandray anjara amin’ity fivoriana iraisam-pirenena ity ny delegasionina malagasy, tarihin’ny filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika, ny kolonely Randrianirina Michaël, izay tonga tany an-toerana, omaly. Nivoaka omaly ny antso ho an’izay liana hitantana […]

Fim 2026 : Fahombiazana tanteraka ny hetsika

Nifarana tetsy amin’ny Centre de conférence international (CCI) Ivato, ny alahady teo, ny Tsenabe iraisam-pirenena eto Madagasikara na “ Foire internationale de Mada­­gascar” (Fim), andiany faha-27. Nisongadina nandritra ny efatr’andro ny fandraharahana sy ny vokatra malagasy izay nifantoka tamin’ny fampiroboroboana ny toekarena sy ny fampihaonana ireo mpisehatra. “Fahombiazana ny hetsika tamin’ity […]

MECC : Nanamafy ny paikadim-panondranam-bokatra

Nanohana ny fandraharahana sy ny vokatra malagasy ny iraka ara-toekarena sy ara-barotra “Mission économique et commerciale au Canada” (MECC) 2026. Hetsika natao tany Montréal, Kanada, ny 29 avrily ka hatramin’ny 1 mey teo. Nitarika izany ny minisiteran’ny Varotra sy ny fanjifana, tamin’ ny alalan’ny talen’ny Fampiroboroboana ny fifanakalozana amin’ny any […]

FANTINA sy FINTINA

Nametra-pialana, omaly, ny ben’ny Tanà­nan’Antsirabe, Rasamimanana Honoré Gabriel, sy ny ekipany. Nandritra ny fananganan-tsaina no nanambarany izany, nanoloana ny mpiasa. Anisan’ny anton’ny fanapahan-kevitra ny olan’ny karaman’ny mpiasa tsy voaloa nandritra ny 13 volana. Eo koa ny momba ny fitokonan’ireo mpiasa, mitaky hatrany ny karamany. Nampandalovina tetsy amin’ny Lapan’i Tsim­ba­zaza ny […]