Naneho ny heviny ny Malagasy mpikatroka ny taranja Judo, Razafindrakalo Ralevazaha Natacha, taorian’ ny fififaninanana “Open d’Afrique de Casablanca” nataony tany Maraoka, ny faran’ny herinandro teo. Nambarany fa mbola maro ny tokony hohatsaraina amin’ny fahaiza-manaony. “Na tsy nahazo medaly aza aho, nisy lesoka sy traikefa maro noraisiko”, hoy ny nambarany. […]
Taratra
ny PASITERA Dr Andriamahazosoa : “Mpitarika sy mpanitsy ny fanjakana ny fiangonana”
Tsy nitsitsy fitenenana hatrany. Nambaran’ny filohan’ny FJKM, ny Dr Andriamahazosoa Irako Ammi, tamin’ny fanambarana nataony fa tsy maintsy hirodana raha manorina eo ambony fasika. Nanteriny tamin’izany ny tokony hanohizana ny fotokevitra efa novoiziny.”Tsy azo atao fitaovana politika ny fiangonana ary tsy tompon’ny fanjakana na mpanompony. Ny fiangonana no fieritreretan’ny fanjakana […]
Famotsoran-keloka faobe avy amin’ny filohan’ny Repoblika : Voafonja miisa 450 misitraka izany ho an’ny fonjaben’Ambalatavoahangy
Araka ny didim-panjakana laharana faha-2024/2 147, ny 10 janoary 2025, nilazan’ny filoham-pirenena ny famotsoran-keloka faobe, izay mifanaraka amin’ny didy aman- dalàna mifandraika amin’ny sazy mahavoaheloka ny tsirairay avy, ary mbola misy andinin-dalàna miisa 25 be izao kosa izay karazan-keloka tsy ahafahana misitraka izany fampihenan-tsazy faobe izany. Anisan’ny tsy hisitrahina an’izany […]
VAOVAO TAMBATRA
Hampanofaina ho birao ny hotely Kintana 5 eny amin’ny CCI Ivato, na koa havadika ho toeram-pivarotana azo tsidihin’ny mpizahatany mandalo eto Madagasikara. Niaraka naorina tamin’ny efitrano fivoriana CCI Ivato ny hotely Kintana 5, saingy tsy nampidi-bola mihitsy. Nandaniana vola 15 tapitrisa dolara ny nananganana azy tamin’ny taona 2008, ahitana rihana […]
Fahavitantena ara-tsakafo: Fikaonandoha mahakasika ny fanodinam-bokatra
Hatao ny 23 sy ny 24 janoary ho avy izao, eny amin’ny CCI Ivato, ny fikaonandoham-pirenena mahakasika ny fanodinam-bokatra ara-pambolena. Handray anjara ao daholo ny mpisehatra voakasika rehetra, hidinika ny zavatra manan-danja, ny fanamby hapetraka ary ny vahaolana horaisina. Tanjona ny hampitomboana sy ny hisian’ny fiantraikany tsara amin’ny famokarana eto […]