Taratra

Maison de l’autisme Ampandrana : Miisa 40 ny zaza nahatilina fambara

Eto Madagasikara, mbola sarotra ny fisitrahana tolotra fitsaboana manokana ny Au­tisme. Vokany, maro ny fianakaviana manana zanaka autiste na misy fikorontanana eo amin’ny fivoaran’ny atidoha mila izany no sahirana. Ma­noloana ny olana, nanao laharam-pahamehana ny fahazoana mitsirika mialoha ahafahana manome torolalana ny fianakaviana ny fikambanana Mouve­ment pour la différence (M4D). […]

Tetikasa Manehoa: Tafajoro ny Vovonana eto Analamanga

Tafajoro ny faran’ny herinandro, teto Antananarivo, ny Vovonana ivondronan’ny mpisehatra rehetra anatin’ny haino vaky jery amin’ny haitaky ho an’ny fahalalahana maneho hevitra, eto amin’ny faritra Analamanga. Vovonam-paritra fahadimy niorina izany taorian’ny tany Vakinankaratra, Matsiatra ambony, Atsimo Atsinanana ary Anosy. Ho sehatra ifanakalozan-kevitra iarahan’ny mpanao gazety, ireo rafi-panjakana mpandrindra, sy ny […]

Tetikasa Sekoly Yas : Afaka mandray mpianatra 300 ny Lycée etsy Alakamisy Fenoarivo

Dingana vaovao amin’ny fanohanana ny fanabeazana eto Madagasikara no notanterahin’ny Fondation Axian, niaraka tamin’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena, tamin’ny fitokanana ny Lycée Alakamisy Fenoarivo. Ny Lycée etsy Alamakisy fenoarivo, izay notokanana ny faran’ny herinandro teo no lycée faharoa naorin’ny Fondation Axian eto Madagasikara, taorian’ny Ly­cée Mitsinjo, any amin’ny faritra Boeny. Izy ihany […]

Lapan’ny fanatanjahantena sy kolontsaina: Nanamafy ny fitiavan’ny mpijery azy ny Reko

Feno ny Lapan’ny fanatanjahantena sy ny kolontsaina etsy Imahamasina, omaly. Tonga marobe ny mpijery. Voatazon’ny Reko hatrany ny fitiavan’ny mpankafy zavakanto azy ireo. Karazany fanamafisana izany ny zava-nisy teny an-toerana nandritra ilay seho lehibe notanterahin’ity tarika ity. Maro an’isa kokoa ireo tanora tonga nijery. Tsy nitsahatra nihira izy ireny. Tsy […]

TARATRY ny KANTO

Tafiditra ao anatin’ny fisolokiana ihany koa ny fomba amam-panao malagasy ? Tsy fahaizana sa fana­hiniana ? Fitadiavam-bola sa zavatra hafa ? Miko­rontana ny sain’ny Malagasy noho ireo fanontaniana ireo. An’ny Malagasy ny teny hoe « vintana ». Saingy, mifandipatra be ihany ny fahaizana izany. Toa samy milaza azy ho manana […]