Nihazo an’i Egypte, omaly, ny filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika, ny Kly Randrianirina Michaël, mivady. Nambarany teny am-piaingana fa tafiditra amin’ny fiaraha-miasan’ny samy Afrikanina ny fitsidihana. « Mbola mino tanteraka aho fa ny fiaraha-miasa eo amin’ny samy firenena afrikanina no hanavotra ny firenena afrikanina manontolo », hoy izy, teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato. Nanteriny […]
Taratra
Tanora mahavita azy!
Anisan’ny zava-dehibe amin’izao fotoana izao ny fanombohan’ny fikaonandoham-pirenena. Hisantatra izany rahateo ny tanora, anio, eo ambany fiahian’ny FFKM sy ny fitondram-panjakana. Heverina fa rariny sy hitsiny tokoa ny tanora no mamaky lay izany. Izy ireo rahateo no tompon’antoka voalohany amin’ny zava-misy ankehitriny. Tsy afa-miala fa rangory fototry ny afo […]
Lisi-pifidianana : Hitory an’izay manao hosoka ny Ceni
Hanaovana fanenjehana ara-pitsarana izay rehetra tratra manao fanahy iniana misoratra anarana imbetsaka ao anatin’ny lisi-pifidianana. Ny fandikan-dalàna amin’ny fisoratana sy fanoratana anarana amin’ny lisi-pifidianana dia mampigadra sy mahavery zo. “Manomboka izao, handray fepetra manokana sy ho sarotiny ary handray andraikitra ny Ceni ka hitory sy hitondra eny amin’ny fitsarana mba […]
Tafatsangana ny sehatra ana habaka: Fitorohana ny herisetra sy ny fahaverezan’olona
Tafatsangana sy natolotra tamin’ny fomba ofisialy, omaly, tetsy Anosy, ny sehatra ana habaka, izay ahafahana mitoroka sy mampilaza ireo trangana herisetra mifototra amin’ny miralenta. Hampilazana ireo tranga fahaverezan’olona miseholany eto amin’ny Nosy koa. Nanolotra izany tamin’ny fomba ofisialy ny minisitry ny Filaminam-bahoaka, ny inspecteur général de Police, Erick Michel. Tanjona […]
Tsenan’Anosibe: Mitentina 54 tapitrisa Ar ny entana may
Tafakatra 54 tapitrisa Ariary ny tetibidin’ireo entana simba tao amin’ireo tsena telo kilan’ny afo teny Anosibe, ny alin’ny alatsinainy teo, raha ny fanazavana voaray tamin’ireo tompon’ny tsena, omaly. Mpivarotra kojakojan-dakozia vita amin’ny plastika no tena voa mafy, tamin’izy ireo, izay nahatratra 40 tapitrisa Ar ny fitambaran’ny entana simba. 10 tapitrisa […]




