Nitarika fivoriana manokana momba ny zava-misy, taorian’ny fandalovan’ny rivodoza Chido tany Mayottes, ny filoham-pirenena frantsay, Emmanuel Macron, omaly, tany Frantsa. Sahirana amin’ny sakafo sy rano ny tomponandraikitra any an-toerana izay manahy fa havesatra ny isan’ny olona namoy ny ainy vokatry ny tanjak’ilay rivodoza Chido, araka ny fanambaran’ny prefet. Mitohy ny […]
Taratra
Toamasina : Nahazo fotodrafitrasa ny Institut Confucius
Nitokana fotodrafitrasa maromaro tao amin’ny Oniversiten’i Toamasina ny minisitry ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa, ny Pr Chaminah Loulla, ho fanatsarana ny kalitaon’ny fampianarana eny amin’ny Anjerimanontolo, ny faran’ny herinandro teo. Nisy ihany koa ny fanolorana tamin’ny fomba ofisialy ireo boky 800 baoritra, azo avy amin’ny fiaraha-miasa amin’ny Oniversiten’i […]
Ankatoky ny fety : hentitra ny fitsirihana fiarakodia ao Mahajanga
Ankatoky ny fety. Hentitra ny tomponandraikitra amin’ny fampanarahan-dalàna ireo fiara fitaterana. Nanaovana fitsirihana manokana ny tany Mahajanga, izay toerana be mpandeha rehefa fety. Nanao tanamaro ho amin’ny fanaraha-maso ireo fiarakodia mifavezivezy eny amin’ny arabe, ny faran’ny herinandro teo, ireo tomponandraikitra any an-toerana. Nitarika izany ny DGSR, ny DIRTM Boeny/Melaky, ny […]
Coalition faim zéro: Hifampizara traikefa ireo mpikambana
Tanterahina eto Madagasikara mandritra ny dimy andro, ny 16 ka hatramin’ny 20 desambra, ny atrikasa hanafainganana ny fanavaozana ny rafitra ara-tsakafo manerana an’i Afrika, izay misy ny Vondrona firenena manohitra ny mosary (Coalition faim zéro). Mpikambana ao i Bénin, ny Repoblika demokratikan’i Kongo (RDC) ary i Madagasikara. Hetsika hanamafisana ny […]
Fiovaovan’ny toetr’andro: Tohanan’ny Soisy ireo mpamokatra Cacao
Mitondra ny anjara birikiny amin’ny fampiroboroboana ny famokarana Cacao ny masoivohon’i Soisy eto Madagasikara. Tohana amin’ny alalan’ny tetikasa fampiofanana sy fanavaozana izany. Nahafahana nampihatra ireo teknikam-pambolena lovainjafy ny fiaraha-miasan’ireo Soisy mpikaroka sy ireo fikambanana eto an-toerana. Tanjona ny hanatsarana sy hampaharitra ny kalitaon’ny vokatra. Ianarany ao anatin’izay ireo fomba fanao […]