Hotanterahina amin’ny herinandro ambony ny hetsika fanaovam-baksiny miaro amin’ny lefakozatra natokana ho an’ny ankizy latsaky ny 15 taona manerana ny Nosy. Ilaina ny manamafy ny hery fiarovana amin’ny vaksiny atete indroa ao am-bava satria mbola ambony ny tahan’ny fangerena ankalamanjana mampitombo ny fiparitahan’ny loto sy ny otrikaretina. Hisolo toerana ny […]
Taratra
« Sekoly Telma » : EPP 5 natsangana any Vatovavy sy Fitovinany
Nanangana EPP 5 any amin’ny faritra Vatovavy sy Fitovinany, ny Fondation Axian sy ny Telma Madagasikara. Tanjona ny hanohizana ny fanohanana ny fanabeazana ho an’ireo zaza malagasy eto amin’ny Nosy. Tamin’ny alalan’ny fandaharanasa “Sekoly Telma” no nahafahana nanangana izany. Nisitraka io fotodrafitrasa io ny mpianatra maherin’ny 750, monina any amin’ny […]
Antananarivo : ambony ny maripana, maloto ny rivotra
Miakatrabe mihoatra amin’ny tokony ho izy ny maripana farany ambony eto amin’ny faritra Analamanga tao anatin’ny roa andro, fa rahampitso vao hidina izany, vokatry ny rotsakorana hiseho. Eto Antananarivo Renivohitra, mahatratra 34°C ny maripana ambony indrindra ary 35°C any amin’ny distrikan’Ankazobe. Tsy misy latsaky ny 30°C ny maripana izany ho […]
49,8% ny ankizivavy mahatody 7ème (T5) : mila ampianarina hisorohana ny vohoka aloha loatra
Maneran-tany, tsy mahavita ny kilasy de 3ème (T9) ny zatovovavy iray amin’ny dimy, ary tsy mahatody hatramin’ny kilasy famaranana ny ankizivavy efatra amin’ny 10. 49,8% ny tahan’ny fahavitan’ny ankizivavy ny ambaratonga fototra eto amintsika, araka ny fanadihadiana momba ny mponina sy ny trano fonenana, RGPH 2018. Zatovovavy iray amin’ny efatra […]
Kandidà Andrianainarivelo Hajo: “Nopotehin’ny mpitondra ny Andrimpanjakana”
Nahitsy ny kandidà, Andrianainarivelo Hajo, tao amin’ny fahitalavitra TV5 Monde, manoloana ny fiainam-pirenena. ”Very hasina ny sata repoblikana noho ny fanitsakitsahana ny Lalàmpanorenana sy ny lalàna velona”, hoy izy. Noraisiny ho ohatra ny fanelingelenana mba tsy ho tratry ny fitsipaham-pitokisan’ireo depiote maro anisa ny praiminisitra. Ny fanomezana fahefana vonjimaika ny governemanta rehefa voatery nametra-pialana tsy ho filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry. Tokony ho ny filohan’ny […]




