Nohainoin’ny mpitsara mpanao famotorana teo anivon’ny fitsarana Anosy, notanana vonjimaika any am-ponja, ny lehilahy iray tratra nangalatra kodiarana fiara, tetsy Ambatoroka, ny 8 mey teo. Mpamily fiara iray nangalatra kodiarana fiara hafa saron’ny mpiambina iray teny Ambarotoroka, Boriborintany faharoa, ny alin’ny alakamisy 7 mey teo. Nanatitra mpiasa avy nanao asa […]
Taratra
Nahatrarana rongony : Dimy lahy naiditra am-ponja
Niakatra fampanoavana ary notanana vonjimaika any am-ponja ireo dimy lahy nahatraran’ny polisy fonosana rongony am-polony tao Vatofotsy Antsirabe, ny 7 mey teo. Manoloana ny fiparitahan’ny zava-mahadomelina ao amin’ny kaominina Antsirabe, nanao hetsika manokana ny mpitandro filaminana hisamborana ireo mpanaparitaka izany. Nandritra ny hetsika Mahomby, naharay loharanom-baovao ny polisy fa misy olona […]
Natelin’ny ranomasina tany Morondava : Tovolahy mpianatr’Ankatso namoy ny ainy
Namoy ny ainy tao amin’ny ranomasina manamorona ny torapasik’i Kimony, Morondava, omaly, ny tovolahy iray vao erotrerony. Nilomano niaraka tamin’ny mpiara-mianatra taminy izy. Tsy tana ny ain’ny tovolahy iray 24 taona, mpianatra avy eo anivon’ny Oniversite Ankatso, anivon’ny sampam-pianarana Sociologie, taorian’ny faharendrehany tao anatin’ny ranomasina tao Morondava, omaly maraina. Nanao […]
FANTINA sy FINTINA
Nitohy ny asabotsy teo, teny Ambohijatovo, ny hetsiky ny Gen Z, mitonona ho tsy mpisolelaka sy tsy voavidy vola sy toerana. Nambaran’izy ireo fa tsy miova ny fitakiana. Anisan’izany ny handravana tsy misy hatak’andro ireo Andrimpanjakana. Tafiditra ao anatin’izany ny Ceni. Vitsivitsy izy ireo no tonga teny an-toerana. Nesorina amin’ny […]
Praiminisitra Rajaonarison Mamitiana : “Hanamora ny famokarana ny Fanavaozana”
Fandraisana andraikitry ny Fitondrana Fanavaozana ny hanatsarana ny lalàna sy hanamora ny famokarana ary hitarika ny fitondrana foibe ho amin’ny fanavaozana, araka ny nambaran’ny Praiminisitra Rajaonarison Mamitiana. Nandritra ny fitokanana ny orinasa fanodinam-bokatra ao Vohilava, kaominina ambanivohitra Anosy Tsararafa, Farafangana, Faritra Atsimo Atsinanana, ny faran’ny herinandro teo no niresahany izany. […]




