Taratra

FANTINA sy FINTINA

Fanamafisana ny fiaraha-miasan’i Etazonia sy i Madagasikara ny fihaonan’ny filoha, ny kolonely Randrianirina Michaël sy ny ambasadaoro mpisolo toeran’i Etazonia, i Thomas D. Bevan, teny Iavoloha, omaly. Eo ny sehatry ny fiarovana sy ny fandriampahalemana. Eo koa izay hanamafisana ireo fiaraha-miasa efa misy ireo sehatra vaovao azo hiaraha-miasa. Tonga nanao […]

Depiote Rajerison Antoine : “Tsy mipetraka sy tsy voahaja ny etika sy ideolojia politika”

“Mandeha ny resaka hoe horavana ny Antenimierampi­renena. Eo koa ny hoe hoesorina ny mpikamban’nyy birao maharitra. Hita hoe misy karazana depiote amin’izao na teo aloha sy olompirenena mivondrona manangana fikambanana na vovonana.” Io ny fanehoan-kevitry ny depiote voafidy tany Arivonimamo tamin’ny anaran’ny Fivoi, Rajerison Antoine, teny Tsimbazaza, omaly, momba ny […]

Sabatra roa lela

Fihavanana? Tsy misy teny vahiny tena mahadika azy. Iavahan’ny Malagasy, mahasaro-piaro… Hatraiza no tena fahatakarana sy fanajana ary fiainana azy? Indrindra amin’izao hoe fanovana na fanavaozana izao… Zava-dehibe ny nisian’ny fihavanana na filongoa nataon’ny Filohan’ny Fanavaozana tamin’ny lehiben’ny mpanohitra ary ny kestoran’ny Antenimierampirenena teo aloha, tany Ambovombe, ny faran’ny herinandro […]

Bruno Fuchs : Nandiso ny feo miely fa iraka manokana no anton-diany

Manatanteraka fitsidihana eto Madagasikara, nanomboka tamin’ity herinandro ity, ny delegasionin’ny Antenimierampirenena frantsay. Tarihan’ny filohan’ny kaomisionin’ny raharaham-bahiny eo anivon’ny Antenimierampirenena frantsay, i Bruno Fuchs, izany. Nanatanteraka valandresaka ho an’ny mpanao gazety, teny amin’ny Masoivoho Frantsay, Amba­tomena, omaly, ny filohan’ny kaomisionin’ny raharaham-bahiny, eo anivon’ny Anteni­mi­­erampirenena frantsay, i Bruno Fuchs. Ny anton-diany eto […]

TSELATRA

Roa lahy mpividy solika halatra voasambotry ny polisy teny Tanjombato, afakomaly. Saron’ny polisy ny lehilahy iray nitondra zerikanina mavo. Voamarina fa halatra ny solika izay avy nalaina tamin’ny fiarabe iray teny amin’ny faritra Forello. Mpianaka may vokatry ny haintrano tao Amba­lakazaha, kaominina Masoarivo, distrikan’Antsalova, Faritra Melaky, omaly. Ravan’ny afo ny […]