Taratra

Raharimalala Léa: 50 taona nilalaovana volley

Tontosa ny faran’ny herinandro teo, tamin’ny alalan’ny “Match de Gala”, teny amin’ny Kianja mitafon’Ankorondrano, ny ivon’ny ny fankalazana ny jobily faha-50 taona nilomanosan-dRaharimalala Léa tao anatin’ny taranja volley-ball. Nahafinaritra ny fiarahana nilalao tamin’ireo mpilalao fahiny, araka ny nambarany. Tratra ny tanjona tamin’ity fankalazana ity. Ny hampihaona ireo rehetra niaraka lehibe […]

“Cosafa Cup” : Tafita amin’ny manasa-dalana ny Barea de Madagascar

Barea de Madagascar hifandona amin’i Angola. Afrika Atsimo hifampitana amin’i Comores. Ireo ny fandaharan-dalaon’ny manasa-dalana amin’ny fiadiana ny ho tompondaka amin’ny “Cosafa Cup 2025”. Fihaonana hotantera­hina rahampitso, ao amin’ny Kianja Toyota stadium, Afrika Atsimo. Manohy ny diany any amin’ny dingana ma­nasa-dalana ny Barea de Madagascar (A’), eo amin’ ny fiadiana […]

“Festival de trails Madagascar” : Eny Ambohijanaka ny andiany voalohany

Hatao ny sabotsy 21 jona izao, eny Ambohija­naka, ny andiany voalohany amin’ny “Festival de Trails Madagascar”, karakarain’ny fikambanana Kolo­vatana. Natao ity hetsika ity mba hampivondronana sy hanentanana ny tanora sy ho fampiroboroboana ny fizahantany. Manana tombony ny tanànan’Ambohijanaka, 11 km miala an’Antananarivo, ho an’ny karazana hazakazaka an-tendrombohitra. “Tanjona ny hampiroborobo […]

Rabenaivo Alain : « Hamerina ny hasin’ny mpanao gazety ara-panatanjahantena »

Manana filoha vaovao hitantana azy mandritra ny dimy taona ny fikambanana mampiray ny mpanao gazety ara-panatanjahantena, na “UJSM”. Hitondra izany ny mpanao gazety, Rabenaivo Alain. Notontosaina omaly, te­tsy amin’ny biraon’ny Holafitry ny mpanao gazety (OJM), ny fifamindram-pahefana teo amin’ny filoha teo aloha UJSM, Rasanda Serge, sy ny mpitondra vaovao ny […]