Taratra

Nampiasa zava-maranitra : Lehilahy namono olona notanana am-ponja

Notanana am-ponja taorian’ny fitsarana azy afakomaly, ny lehilahy namono olona tao amin’ny kaominina Andovo­ran­to, distrikan’i Brickaville. Nokapakapain’io lehilahy na­havanon-doza io tamin’ny antsy teo amin’ny lohany ny raim-pianakaviana iray 70 taona. Avy naka fary tany an-tsaha ity farany, ny 21 mey lasa teo tamin’ny 1 ora atoandro, nifanena izy roa lahy […]

Fanendahana sy famakiana trano : Tovolahy fito voasam­botry ny polisy

Tovolahy miisa fito voasambotry ny polisy avy amin’ny kaomisaria foibe Mahajanga tamin’ity herinandro ity. Tratra nanendaka sy namaky trano avokoa izy rehetra ireo. Afako­maly tamin’ny 4 ora maraina, lehilahy telo mpanendaka sarona. Nentina teny anivon’ny biraon’ny kaomisaria izy ireo ary niaiky ny heloka nataony. Tonga nitory teny anivon’ny polisim-pirenena kaomisaria […]

Jiolahy ikoizana : Maty voatifitry ny polisy i Koto

Mitohy ny famongorana ny mpanao ratsy. Jiolahy iray antsoina hoe i Koto, malaza amin’ny fanendahana sy fampiasana zava-maranitra, lavon’ny polisy tetsy Anosizato, afakomaly. Nirefodrefotra ny basy tetsy Anosizato Atsina­nana, afakomaly hariva tamin’ny 7 ora sy sasany. Maty voatifitry ny polisy i Koto, jiolahy malaza amin’ny fanendahana sy fampiasana zava-maranitra eny […]

«Rugby Women’s Africa»  : Lavon’i Ouganda i Madagasikara

Notontosaina tao amin’ny Kianja Makis Andohatape­naka, omaly, ny andro faharoan’ny fiadiana ny ho tompon­dakan’i Afrika, taranja Rugby, sokajy vehivavy. Resy tamin’izany ny Makis Ladies, rehefa lavon’i Ouganda, tamin’ny isa 24 no ho 20, i Ouganda. Tsia­hivina fa teo amin’ny fizaram-potoana voalohany, somary sahirana ny ekipa nasionaly malagasy, nitarika 12 no […]

SOMBIM-BAOVAO

Notanterahina tany Toamasina, ny faran’ny herinandro teo, ny “Olympic Day”. Nisy ny hetsika nanamarihina izany, nialohavan’ny seminera natokana ho an’ny atleta nandritra ny 2 andro ka nizarana ny medaly ho an’ny mpandray anjara. Hotanterahina ny 14 jona izao ny hetsika “Girl’s Open Mat”, taranja Jiu-jitsu Brezilianina. Miso­katra ho an’ny vehivavy […]