Tsy hita izay holazaina manoloana ny fivoaran’ny toe-draharaha eto amin’ny firenena. Ohatra ny misy kajikajy politika tsy mandeha amin’ny laoniny izany eto an-tanàna. Tsy hay hoe iza no manao inona, iza no miketrika inona. Misy tranga foronina sy hambolena resabe foana isan’andro izao. Toa kisarisarim-piarahamonina milamina, fa miloloha vainafo […]
Taratra
« SIAE andiany fahefatra »: Tombony ho an’ny fifanakalozana ara-barotra
Soa fanararaotra hampivoarana ny fandraharahana sy hitadiavana lalam-barotra any ivelany ny SIAE andiany fahefatra. Kendrena manokana ny hampiroboroboana ny fifanakalozana ho an’ny hoavy mamiratra ara-toekarena eto Madagasikara. Maro ny tombontsoa ara-toekarena azo mandritra ny Ranty iraisam-pirenenan’ireo mpisehatra ara-toekarena «Salon International des acteurs économiques» (SIAE) andiany fahefatra, atao eny amin’ny Kianja […]
TSELATRA
Mpifindra monina an-tsokosoko miisa 51 saron’ny polisim-pirenena tany Hajangona, kaominin’i Dembéni, Mayotte, ny alatsinainy 2 mey teo. Malagasy ny 50 tamin’ireo tratra raha toa ka Kongolais ny iray. Hampodiana eto an-tanindrazana avokoa ireo Malagasy nitsoa-ponenana ireo. Olona 11 voasambotry ny polisy avy amin’ny CSP5 Mahamasina ny 2 jiona lasa teo […]
Ankadindramamy : Taxi-be 147 sy taxi nifampitrongy
Potika tanteraka ny lohan’ny taxi iray nifandona tamin’ny taxi-be 147 tetsy Ankadindramamy akaikin’ny tobin-dasantsy, omaly maraina. Nikasa hidina avy any amin’ny lalana mizotra mankany Mahazo ilay fiara kely. Nivoaka avy amin’ny toerana misy ny tobin-tsolika ilay taxi-be, araka ny fitantaran’ny nanatri-maso. Tsy nifandefitra ny mpamily roa tonta. Nifandona avy hatrany […]
Voafitaka tany Cameroun : Hody an-tanindrazana anio ireo Malagasy
Nigadona eto Madagasikara, androany tamin’ny 2 ora maraina, ireo Malagasy miisa sivy notanana an-keriny tany Cameroun nandritra ny volana maro. Niainga tany amin’ity firenena ity izy ireo, afakomaly, ary izao tonga eto an-tanindrazana izao. Voafitaka tamin’ny asa hitany tao amin’ny tambajotran-tserasera ary notanana an-keriny tany izy rehetra ireo. Anisan’ny nandrisika […]




