Taratra

Minisitra Moustapha Marson Abdulah :Tsy manavaka taranjam- panatanjahantena ny MJS

Mandray fifaninanana iraisam-pirenena maro i Madagasikara, ankehitriny. Misy ihany koa ireo fifaninanana eto an-toerana amin’ny taranja hafa izay mizotra amin’izao fotoana izao. Manatrika izany hatrany ny minisitry ny Tanora sy ny fanatanjahantena (MJS), Mousta­pha Marson Abdulah. Tsy manavaka taranja ara-panatanjahantena misy eto Madagasikara ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena (MJS), […]

Asa fanaovan-gazety: Lany ho filohan’ny UJSM i Alain Rabenaivo

Rabenaivo Alain Paul, mpikirakira ny fanatanjahantena ao amin’ny Gazetiko indray no lany hitantana ny Firaisan’ny mpanao gazety ara-panatanjahantena eto Madagascar (UJSM), ho an’ny taom-piasana manaraka. Vita ny sabotsy teo, tetsy amin’ ny Efitranon’ny Holafitry ny mpanao gazety Ambohidahy, ny fifidianana. 65 ireo mpikambana nanan-jo hifidy sy handatsa-bato tamin’izany. Nahazo vato […]

« Aero Expo 2025” : Nampiseho ny fahaiza-manaony ny Tafika ana habakabaka

Miandry ny tohiny ny rehetra! Na roa andro monja aza, nahafantaran’ny mpitsidika ny momba ny Tafika ana habakabaka sy ireo mpiara-miombon’antoka aminy ny “Aero Expo 2025”… Nifarana omaly ny hetsika fampirantiana “Aero Expo 2025” teny amin’ ny tobim-pamaharan’ny Tafika ana habakabaka Base 213 – Escadron hélicoptère Ivato. Fampirantiana ivondronan’ ireo […]

FANTINA sy FINTINA

Hivelatra kokoa amin’ny sehatra hafa ny fifandraisana eo amin’ i Madagasikara sy i Rosia. Anisan’ny nivoitra izany tamin’ny fihaonana teo amin’ny mpiraki-draharaha vonjimaika, i Alexeï Buriak, sy ny mpanolotsaina diplaomatika ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Patrick. Voaresaka koa ny fanamafisana ny fiaraha-miasan’ny firenena roa tonta. Nandray ny solontena eo anivon’ny Franko­fonia […]

Famokarana sy fivarotana toaka gasy : Mitaky kalitao tsara ireo depiote

Tsy mbola mifarana eo! Nitondra fanazavana momba ny tolo-dalàna amin’ny famokarana sy famarotana toaka gasy ny filohan’ny Vaomiera misahana ny lalàna eo anivon’ny Antenimierampirenena, ny solombavambahoaka voafidy tao Farafangana, Raby Sava­tsarah. Nambarany fa betsaka ireo toerana sy faritra tena mamokatra azy io. Notakiny, araka izany, ny hiarovana io seha-pihariana io. […]