Taratra

VAOVAO TAMBATRA

Tonga tany Ibity Antsirabe, faritra Vakinan­karatra, ny alakamisy 12 desambra teo, ireo vahiny mpamorona hetsika ara-pizahantany. Azo atao any an-toerana, hoy izy ireo, ny fandehanana an-tongotra (trekking) ahafahana mahita tontolo mahasondriana, ny tanànan’i Manandona. Tafiditra ao ana­tin’ny Madagasikara Uncharted, iarahan’ny ONTM sy ny Where Is This ny hetsika, hanarahana ny […]

Fiovan’ny toetr’andro: Azon-dRakotoarivony Viviane ny loka P4H

Misongadina i Madagasikara eo amin’ny tsena iraisam-pirenena. Azon-dRakotoarivony Viviane ny loka voalohany « Sary ho an’ny maha olombelona 2024 » na « Photography 4 Humanity » (P4H). Iarahan’ny Firenena mikambana ho an’ny zon’olombelona sy ny fikambanana iraisam-pirenena mahakasika ny tontolo iainana, RHRN Climate, ny fikarakarana ny fifaninanana. Tanjona ny hanasongadinana ny fifandraisan’ny fiovan’ny toetr’andro […]

QMM: 4 tapitrisa dolara ho an’ny sosialy

Misy ny fifanarahana vaovao eo amin’ ny orinasa QMM sy ny fanjakana mala­gasy, hampiroboroboana ny sosialy mipaka eny ifotony. Anisan’izany ny fa­matsian-drano, ny jono, ny fanabeaza­na, sns. Nisy atrikasa tany Taolagnaro, ny herinandro lasa teo, niarahan’ny orinasa QMM sy ny fanjakana malagasy. Niompana tamin’ny ezaka ataon’ity orinasa ity amin’ny lafiny […]

TARATRY ny KANTO

Nivoaka ny faran’ny herinandro teo indray ny hiran’ny Cyphaka, avy amin’ny Zaza Rap Taiza. « Tsy ho bado » no lohatenin’ity hira ity. Hira izay miresaka mahakasika ny fanabeazana sy fampianarana eto Ma­dagasikara. Eklips, Kipikilahy Bandaem, Tovolah, Geoscar, Mashmanjaka, Fab’s, Big Jimdah, Septic, Bolo, Ratsilahy ary Printsy no niaraka nanatontosa izany. Lasa […]

Saripika : Hizara fihetseham-po ny “Mi-Tily Sary”

« Ho tiavinay… Madagasi­kara ». Lohahevitry ny fampirantiana saripika, izay haseho ao amin’ny Cités des Cultures Antaninarenina io, manomboka ny sabotsy 21 desambra izao ka tsy hifaranana raha tsy ny 25 janoary 2025. Fikam­banana mpankafy sary, izay samy mpisehatra eo anivon’ny Tily eto Ma­dagasikara ny « Mi-Tily Sary ». Hitondra ny mpitsidika hianjoria manerana […]