Ho fahamailoana amin’ny mety ho fiparitahan’ny valanaretina Mpox ao amin’ny Faritra Ambatosoa, napetraka any an-toerana ny sakana ara-pahasalamana. Nisy olona ahina ho voan’io aretina io tao anaty sambo “MS Yoan”, avy any Toamasina. Nidina ifotony avy hatrany ny OMC, niaraka tamin’ireo mpiasan’ny fahasalamana, nandray ny fepetra rehetra hifehezana ny mety […]
Taratra
Paralympique: Nanohana ara-pitaovana ny minisiteran’ny Mponina
Fifaninanana hanasongadinana ireo atleta manana fahasembanana mendrika hisolo tena an’i Madagasikara amin’ny sehatra iraisam-pirenena na amin’ny ranomasimbe Indianina Paralympique. Lalao hatao etsy Mahamasina. Omaly, notoloran’ny minisitry ny Mponina fanampiana ara-pitaovana ireo olona manana fahasembanana mifaninana ara-panatanjahantena ireo. Vary 15 gony sy kidoro 30 isa no nomena tamin’izany. « Tsy fifaninanana ara-panatanjahantena […]
Faritra Boeny : Nahazo birao ny fitaleavam-paritry ny Filaminam-bahoaka
Notokanana sy nosokafana ny faran’ny herinandro teo ny biraon’ny fitaleavam-paritry ny Filaminam-bahoaka ao amin’ny Faritra Boeny. Amin’ny maha stratejika eo amin ny lafiny toekarena ity faritra ity, miandry ny polisim-pirenena miasa ao amin’ity fitaleavam-paritra ity ny fametrahana tontolo milamina ahafahana mampiroborobo ny fandraharahana, tsy ho tombontsoan’ny Faritra irery fa ho […]
TSELATRA
Mpangalatra ireny kojakoja anaty fiara ireny voasambotry ny polisy teny Ilanivato, ny sabotsy 15 aogositra teo. Nenjehin’ny polisy izy ka nahatrarana auto radio teny aminy. Notanana am-ponja ny lehilahy nangalatra basy ka nikasa hamarotra izany tao Belo sur Tsiribihina, ny zoma 14 aogositra teo. Tsy nisy taratasy sady nokasainy hamidy […]
Diplaoma bakalorea hosoka : Talen-tsekoly tsy miankina naiditra am-ponja
Niakatra fampanoavana teny anivon’ny fitsarana Anosy ny talen-tsekoly tsy miankina iray, niampy olona efatra mpiray tsikombakomba taminy. Notanana vonjimaika any am-ponja izy ireo, ny faran’ny herinandro teo. Nisy tsy fahatomombanana tsikaritry ny tomponandraikitra miasa eo anivon’ny Oniversite Antananarivo, ny 5 aogositra lasa teo. Vehivavy nikasa hanao fanamarinana dika mitovy amin’ny […]





