Nirarakompana ny fanalana amin’ny toerany ireo tomponandraikitra ara-miaramila eo anivon’ny hopitaly Soavinandriana (CenHoSoa). Niainga amin’ny fanapahan-kevitry ny filankevitry ny minisitra, natao tany Nosy Be, afakomaly, izany. Nivoitra tamin’izany ny fanendrena mpiasam-panjakana ambony ka anisan’izany ny teo anivon’ny minisiteran’ny Foloalindahy. Miisa valo be izao ireo tomponandraikitra ambony eo anivon’ity hopitaly miaramila […]
Taratra
TSELATRA
Pretra teratany vahiny namoy ny ainy noho ny lozam-pifamoivoizana nanjo azy tao Manandona, Antsirabe, ny alarobia 21 mey teo. Nifandona tamin’ny kamiao ny fiara tsy mataho-dalana nentin’io niharan-doza io. Niezaka nitondra azy teny amin’ny toeram-pitsaboana ireo nanatri-maso saingy tsy tana ny ainy. Miasa ao Fianarantsoa io Pretra tra-doza io. Saron’ny […]
Fivadiham-pitokisana : Tratra i Veve, roa taona nifampitadiavana
Voasambotry ny zandarimaria notarihin’ny Kly Faneva, tao amin’ny kaominina Antanimeva, faritra Atsimo Andrefana, omaly, ny lehilahy atao hoe Veve, izay nisoloky sady nivadi-pitokisana. Roa taona nifampitadiavana io lehilahy io. Namoahan’ny mpitandro filaminana filazana fikarohana tao Maintirano izy nanomboka ny taona 2023. Zaodahin’ny mpanao baolina malaza iray eto an-toerana “Voavy Paulin” […]
Ambatoroka: Fiara starex iray nandona fiara sy moto
Fiara starex iray no nanao fifandonana intelo nisesy tetsy Androndra hatreny Ambatoroka, omaly tamin’ny 4 ora sy sasany hariva. Teny an-dalana hihazo an’Androndra, avy any Ankadimbahoaka, nihemotra ity fiara ity, nefa nisy moto sy fiara iray hafa taoriany. Nahita izany ilay kodiaran-droa ka nihemotra ihany koa. Tsy nitsaha-nihemotra anefa ity […]
Antohomadinika IVO: Jiolahy raindahiny lavon’ny balan’ny polisy
Lavon’ny polisy, omaly, tetsy Antohomadinika IVO, ny mpanendaka raindahiny. Nifanehitra tamin’ny mpitandro filaminana nanao fisafoana teny amin’ny manodidina izy sy ny namany. Nampiasa antsy lavalela izy io, saika hamely ny polisy. Vokany, maty voatifitra izy. Jiolahy iray lavon’ny balan’ ny polisim-pirenena avy amin’ny UIR omaly tamin’ ny 1 ora maraina, […]




