Taratra

INDRAY MIJERY

Mampivoatra ny fahaiza-manaon’ny mpiasa amin’ny alalan’ny fampiasana ny teknolojia ny minisiteran’ny Asa, ny fampananana asa ary ny asam-panjakana. Mpiasa maro avy eo anivon’ny minisitera foibe sy ny rantsamangaika no nahazo fiofanana mahakasika ny fifehezana ny faharanitan-tsaina tsy voajanahary na Intelligence artificielle sy ny haitao ara-kajy mirindra tetsy amin’ny Ecole 42 […]

Madagasikara : Mizara traikefa amin’i Kaomoro sy RDC Congo

Natao omaly, tetsy Anosy, ny atrikasa fifanakalozana traikefa avy amin’ny Repobli­ka Demokratikan’i Congo sy i Madagasikara ary i Kaomoro. Zava-dehibe ny fandraisana ireo firenena afrikanina ireo amin’ny fifanakalozana traikefa sy ny fanatsarana ny fiahiana sosialy. Ny tetikasa Ha­ratonaina, izay tetikasan’ny fitondram-panjakana, vatsian’ny Banky iraisam-pirenena vola, ny Fid no manatanteraka eny […]

sehatry ny asa : Niofana ny mpampiofana eto an-toerana

Nandritra ny hadimiana, tamin’ity herinandro ity, nanatanteraka atrikasa momba ny “Harmonisation pédagogique des formateurs nationaux des conseillers en orientation et insertion” (FNCIO), ny fitaleavana misahana ny “Orientation sy insertion professionnelle” (DOIP), ao amin’ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa. Tao Antsirabe no natao ny hetsika, izay tohanan’ny Unesco amin’ny […]

Oniversitem-panjakana : Hifarana ny volana oktobra ny taom-pianarana

Nivory voalohany tao anatin’ny Conférence des présidents des universités mampivondrona azy ny filohan’ny Oniversite rehetra miankina amin’ny fanjakana sy ireo tale jeneralin’ny Institut supérieur de téchnologie (IST). Teny amin’ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa no nanaovana izany. Rafitra ambony indrindra manapaka ny zavatra hoenti-mampandeha ny Onivesite tsirairay izany. […]

TARATRY ny KANTO

Zandry Gasy sy Inah, eny amin’ny Extra Pizza By Pass (Tour Eiffel). Fiarahana tsy sambany, kanefa be mpiandry hatrany satria feno kokoa ny feo sy ny zavamaneno. Mifameno mantsy ilay feo miavak’i Inah, amin’ny talentan-dry zalahy Zandry Gasy. Toraka izany koa ny hira alahatra, mihodina amin’ny famelomana ireo vakoka sy […]