Taratra

Voaroba 2 tapitrisa Ar: lehilahy hita faty tsy nisy taova

Norasarasaina antsy, tsy nisy taova, lehilahy mpividy vokatra hita faty tao amin’ny distrikan’i Tsiroanomandidy, omaly. Tsy hita ny vola 2 tapitrisa nentiny nivoaka ny trano. Nampihorin-koditra! Fatin-dehilahy tsy nisy taova, nahitana faritra voarasarasa antsy hitan’ny fokonolona tao amin’ny fokontany Ankazondrano, kaominina Soanierana, distrikan’i Tsi­roanomandidy, omaly alatsinainy 19 mey, tamin’ny 6 […]

Fiainana andavanandro: mampiasa arina fandrehitra ny 90% ny Malagasy

Miankindoha amin’ny fampiasana hazo sy fitrandrahana mihoapampana ny tontolo iainana ny ankamaroan’ny tokantrano malagasy. Fototra ivelomany sy hanitarany ny seha-pihariany izany. Antony mahatonga ny rohivoary eto amintsika ho potika sy mampakatra hatrany amin’ny 30% ny taham-pahafatesana vokatry ny fahalotoan’ny rivotra izany. «Tokony handray an-tanana ny hoavy ny tsirairay. Miteraka asa […]

Avaratra Antanimora: ankizivavy 6 taona naolana tany anaty ala

Nisy nibata tao am-pandriana, tao an-tranony, tetsy Avaratra Antanimora ny ankizivavy vao enin-taona mon­ja, afakomaly alina. Hita tany anaty ala teny amin’ny manodidina izy io, omaly ma­raina. Fantatra taorian’ny fizahana nataon’ny mpitsabo fa voaolana izy. Tsiahivina, nandeha nitsena ny reniny izay mbola taraiky niasa alina tany ivelan’ny trano ny olon-dehibe […]

Rallye Motul: voalohany i Faniry sy i Mahents

Norombahin’i Faniry sy Mahents, mpanamorin’ny klioba TMF/Asacm, nitondra ny fiara Peugeot 208 T16, ny andiany fahenina amin’ny Rallye Motul. Fifaninanana notanterahina ny zoma ka hatramin’ny omaly alahady. Dingana voalohany amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, nokarakarain’ny klioba FMMSAM. Tontosany tao anatin’ny fe-potoana 1 ora 37 mn 59.2 s ny hazakazaka, […]

Nosy malagasy, tetibola, Base Toliara: nampanantsoin’ny depiote mpanohitra ireo minisitra telo

Nandefa taratasy eo anivon’ny birao maharitry ny Antenimierampirenena, ny herinandro teo, ny depiote avy amin’ny fanoherana. Miompana amin’ny fampiantsoana ireo minisitra miisa telo izany. Anisany nampanantsoin’ny depiote Firai­sankina ny minisitry ny Toe­karena sy ny fitantanam-bola hanontaniana ny momba ny olana ara-bola sy ny tsy fisian’ny fanitsiana ny tetibola amin’izao fivorian’ny […]