Taratra

Fiaraha-miasa Madagasikara-Chine: havaozina ny toeram-pitsaboana ao amin’ny Oniversiten’Antananarivo

Voakasiky ny fiaraha-miasa eo amin’i Madagasikara sy i Chine ho an’ny fampianarana ambony ny fikarakarana ny fahasalaman’ny mpiasa sy ny mpianatra eny amin’ny oniversite. Hasiam-panavaozana ny ivontoerana hisahana izany, eny Ankatso. Tafiditra amin’ny fanohizana ny fifanakalozana eo amin’ny Repoblika populaire Chine sy i Ma­dagasikara ny fitsidihana ny toeram-pitsaboana natokana ho […]

Fizahantany: trano vaovao ho an’ny INTH

Napetraka omaly, ny vato fototra hanavaozana ny Ivontoeram-pirenena ho an’ny fizahantany sy ny tranombahiny (INTH) etsy Ampefiloha. Mitentina 2 tapitrisa euros ny asa, tohanan’ny Antokondraharaha frantsay ho an’ny fampandrosoana (AFD). Maharitra 15 volana ny asa, izay hanovana ny toerana hanaraka ny fenitra iraisam-pirenena. Ahitana rihana roa ny trano, efitra 14. […]

“Andron’ny seha-pamokarana”: tratra ny tanjona ho an’ny ANMCC

Fahombiazana. Maherin’ ny 20 000 ireo mpitsidika tonga teny amin’ny Kianja Barea Mahamasina nandritra ny Andron’ny seha-pamokarana, ny faran’ny herinandro raha toa ka 6 000 ny vinavina. «Tratra ny tanjona, namaly ny antso avokoa ireo orinasa mpamokatra eto an-toerana miisa 12 nisitraka ny fepetra fiarovana», hoy ny tale jeneralin’ny Autorité […]

Literatiora: hizara ny “Kipantsona” i Lova Santatra sy i Voary

“Miderà Azy amin’ny ki­pantsona tsara feo”. Sal.150-5. Avy amin’io andalana anaty Soratra Masina io no nakana ny anaran’ny hetsika “Kipan­tsona”. Antsan-tononkalo fa­na­on’ny Faribolana Sandratra izy ity, izay hotontosaina ny 24 mey izao, manomboka amin’ny 3 ora tolakandro. I Lova Santatra sy i Voary no hifarimbona hizara ny kanto mandritra izany. […]