Hifarana afaka andro vitsy ny fe-potoam-piasan’ny solontena maharitry ny Jica, Tanaka Kaori, eto Madagasikara. Noraisin’ny minisitry ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT) ny tenany, omaly. Nivoitra tamin’ny fihaonana teo amin’ny roa tonta, tetsy Anosy, ny nanaovana tombana teo amin’ny fiaraha-miasa Japoney Jica sy ny fitondram-panjakana amin’ny alalan’ny MFFT […]
Taratra
TSELATRA
Trano 50 tafo no narodan’ny andian-dehilahy maro tetsy Anosibe Andrefana, omaly tamin’ny 6 ora maraina. Navoakan’izy ireo avokoa ny entana rehetra tao an-trano. Tsy nisy ny fifampiresahana teo amin’ny mponina mialoha ny fandrodanana ny trano. Afakomaly hariva tamin’ny 7 ora hariva no naharay taratasy fampahafantarana ny fialana amin’ny tranony ireo […]
Raim-pianakaviana nanindrona antsy zafikely: Voaheloka hiasa anterivozona mandritra ny 10 taona
Niakatra fitsarana misahana ny heloka bevava omaly, tany Brickaville, ilay raim-pianakaviana 53 taona namono nahafaty ny zafikeliny. Nandritra ny fankalazana ny fetin’ny maty, ny 16 novambra 2020, novonoiny tamin’ny antsy ny zafikeliny, izay nonina tao Tsararivotra, kaominina ambonivohitr’ i Brickaville. Nandositra sy nifindra monina niala ny toerana sy faritra nisy […]
Vangaindrano : Rongony 15 gony saron’ny zandary
Nogiazan’ny mpitandro filaminana ny rongony 15 gony tratra tao ampitan’ny reniranon’i Menagnara, kaominina Vangaindrano, ny alahady 18 mey teo. Nitady hevitra hitondrana ireo entana ireo miakatra ny tanàn-dehibe ny olona tsy fantatra ka niparitaka ny feo. Nitoroka teny anivon’ny mpitandro filaminana ny tsara sitrapo. Niroso tamin’ny fikarohana ny tompon’entana avy […]
Vehivavy voaroba 75 tapitrisa Ar: Jiolahy voatifitra teo Ambavahaditokana Itaosy
Maty nandritra ny fifanjevoana tamin’ny zandary teny Ambavahaditokana, Itaosy, ny jiolahy iray. Anisan’ny nandroba fianakaviana sy nandratra vehivavy teny an-toerana izy, ny alin’ny 14 febroary lasa teo. Nifampitadiavana nanomboka ny volana febroary 2025, jiolahy raindahiny maty voatifitry ny zandarimaria tao amin’ny fokontany Loharanombato, kaominina Ambavahaditokana, distrikan’Antananarivo Atsimondrano, ny alin’ny talata […]




