Taratra

Asan-jiolahy tetsy Ambohidratrimo: Tokantrano voaroba 80 tapitrisa Ar

Nongotan’ny olon-dratsy ny karakara vy “grille de protection” tamin’ny varavarankely, norobain’ny jiolahy nitondra basy ny tokantrano iray, tao Ambohidratrimo. Lasa ny volabe an-tapitrisany. Nampiasa tohatoha-kazo, nanongotra ny fiarovana teo amin’ny varavarankely tamin’ny alalan’ny “barre à mine” ny andian-jiolahy nitam-piadiana tao amin’ny fokontany Ambohitsiroa, kaominina Ambohidratrimo, ny alin’ny alakamisy 15 mey […]

VAOVAO TAMBATRA

Mihamafy ny delestazy eto Antananarivo sy ny manodidina. Mihatra indroa isan’andro izany, maharitra adiny iray fara-fahakeliny. Voalaza fa mihena ny haavon’ny rano mamatsy ny milina mamokatra herinaratra avy amin’ny tohodrano. Voafetra anefa ny solika ampiasaina manodina ireo milina manodina herinaratra, antony mahantonga ny fanapahana mihodina. Voakasik’izany koa anefa ny faritra […]

Famokarana : Mitombo ny vokatry ny orinasa malagasy

Miha mahazo vahana ny seha-pamokarana eto amintsika, hatramin’ny nametrahana ny fepetra fiarovana ny indostria. Manomboka mihena ny fanafaran’entana ataon’i Madagasikara, mitombo ihany koa ny tolotra omen’ireo orinasa malagasy ho an’ny mpanjifa. « Ny taona 2018, taona nametrahana ny fepetra fiarovana, manodidina ny 45 000 taonina ny paty nafarantsika ary 7 000t monja ny […]