Hiaina fifaninanana goavana ny mpitia ny taranja tsipy kanetibe, afaka herinandro. Hifanandrina ao anatin’ny “Tournoi des champions” ireo efa nandrombaka ny tompondaka maneran-tany sy ny tompondakan’i Afrika. Hifampitady any anaty fifaninanana amin’ny “tir de précision” ihany koa izy ireo. Hangotraka ny fihaonana amin’ny “Tournoi des champions”, eo amin’ny taranja tsipy […]
Taratra
FANTINA sy FINTINA
Nambaran’ny loharanom-baovao eo anivon’ireo solombavambahoaka fa misy depiote maromaro miketrika fitsipaham-pitokisana ny governemanta eny amin’ny Lapan’i Tsimbazaza. Ireo solombavambahoaka mpiara-dia sy mpanohana ny fitondrana ary ny eo anivon’ny Irmar ihany no ao ambadik’izany. Nihaino ny hetahetan’ny vahoaka amin’ny alalan’ireo lehiben’ny sampandraharaham-panjakana any amin’ny distrikan’i Maroantsetra ny filoha lefitry ny Antenimierandoholona, […]
MFFT – Fihaonambe tany Washington: Nanazava ny fanavaozana ny fananan-tany
Anisan’ny niatrika ny fihaonana maneran-tany momba ny tany, natao tany Washington, ny 5 hatramin’ny 9 mey teo, ny delegasionin’ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT). Niompana tamin’ny fanentanana sy ny fikaroham-bahaolana amin’ny fahazoana ny tany izao andiany amin’io fivoriana iraisam-pirenena io izao. Nifanakalozana tamin’izany ny fahaiza-mitantana ny fananan-tany […]
Tsara ifampitaizana
Fiteny amin’izay mitady fanampiana ny hoe: omeo fintana izay mangataka trondro. Mila miasa izany amin’izay tadiavina na irina. Mby aiza? Tsy inona fa ny amin’ity hoe ny maha olona anisan’ny andry amin’ny fampandrosoana amin’izao fe-potoam-piasan’ny fitondrana izao. Manao izay efany sy afany tokoa ny mpitondra amin’izany? Eo ny tsirairay […]
Tatitry ny asa vitan’ny Arai : Maro ireo mpiasam-panjakana nahazo harena tsy ara-dalàna
Namoaka ny tatitry ny asa vita ho an’ny taona 2024 ny eo anivon’ny Sampandraharaha misahana ny famerenana amin’ny fanjakana ny harena rehetra azo tamin’ny tsy ara-dalàna (Arai). Maromaro ireo nahazo harena amin’ny fomba tsy ara-dalàna. “Marolafy ireo sokajin’olona voakasika amin’ny fahazoana harena tsy ara-dalàna. 13% ny mpiasam-panjakana. 60 % mahery […]




