Taratra

INDRAY MIJERY

Nijery ny lalana RN13, niainga avy ao Amboasary hatrany Taolagnaro ny filohan’ny Repoblika mivady, omaly. Izy no nitondra ny fiara. Adiny iray sy sasany ny faharetan’ny dia hatrany Taolagnaro raha adiny efatra izany teo aloha. Nanamafy koa izy fa hotohizana ny asa fanamboarana ny lalana RN13, miala avy eo Amboasary […]

Otrikaretina sarotra tsaboina (RAM) : Tokony ho lavorary ny fampiasana antibiotika

Natolotra teny Anosy ny valin’ny fikarohana nataon’ny mpikaroka momba ny «Re­sistance aux antimicrobiens (Ram)». Fiadiana amin’ny firongatry ny otrikaretina sarotra tsaboina na mampiseho endrika fanoheran’ny otrikaretina amin’ny endriny rehetra izany. Nisy ny fanaraha-maso ao anatin’ny fenitra Triumph natao nandritra ny dimy taona fa ny fakana ny singa nohadihadiana kosa notanterahina […]

“Dog show” andiany fahenina : Fampirantiana alika tsara karazana

Hotanterahina etsy amin’ny Zital Ankorondrano, ny sabotsy sy alahady izao, ny hetsika “Mada Dog show”, andiany fahenina. Hetsika fampirantiana sy fifaninanana ho an’ireo alika tsara karazana. “Hiavaka ny seho amin’ity taona ity satria afaka mandray anjara amin’ny fifaninana iraisam-pirenena izay ankatoavin’ny Fédération cynologique internationale(FCI) ny alika voasafidy tsara indrindra mandritry […]

Filoha Rajoelina Andry tao Amboasary: Tokantrano 4 500 nizarana Vatsy tsinjo, hisy ny fivarotana vary mora

Tonga tao amin’ny distrikan’Amboasary Atsimo, faritra Anosy, ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry mivady sy ny mpikambana maromaro ao amin’ny governemanta, omaly. Ho fiahiana ara-tsosialy ho an’ny mponina ao an-toerana, nisy ny vatsy natolotra azy ireo nandritra ny hetsika. Nitondra fanampiana Va­tsy tsinjo ho an’ny to­kantrano miisa 4 500, ahitana vary […]

TSELATRA

Nidoboka eny amin’ny fonjan’Antanimora, afakomaly, ilay jiolahy raindahiny, iray tamin’ireo namono ilay mpanakalo vola tetsy Analakely, ny volana janoary 2025 lasa teo. Voasambotry ny polisin’ny BC Anosy teny Andohanarofotsy izy, ny 10 mey 2025 rehefa niafina nandritra ny fotoana ela. Nahitana basy Makarov calibre 9 mm, misy bala 10 sy […]