Taratra

Fonja sy akany: Tohana avy amin’ny Sekreteram-panjakana

Tonga teny amin’ny akany Mandrosoa Anjanamasina, Alakamisy Anosiala, toby fanabeazana sy fanarenana ireo zaza nania, ny sekreteram-panjakana misahana ny Fahaleo­van-tena ara-tsakafo (SESA), Razanamahefa Tahian’Ny Avo, sy ny ONG Tetikasa Ankizy Krismasy, ny 10 mey teo. Nizarana sakafo ara-pahasalamana ny ankizy miisa 79 beazina ao an-toerana, niampy kilalao, boky fitaizana sy […]

Faritra Sofia: Manan-danja amin’ny tsenan’ny karbôna ny ala honko

Havokavoky ny karazan-javamananaina eto Madagasikara ny faritra Sofia. Resy lahatra ny talem-paritry ny Tontolo iainana (Dredd) any an-toerana, ny Dr Manantsoa Clermond, fa tombontsoa maro no ateraky ny fiarovana azy ireny, toy ny ala honko. Manan-karena amin’ny lafiny tontolo iainana ny faritra Sofia. Faharoa, midadasika indrindra, aorian’Atsimo Andrefana. Mahatratra 450 […]

Famokarana tongolo: Ividianana fitaovana ny tombom-barotra

Mananosarotra ny fitadiavana famatsiam-bola ho an’ireo mpamokatra tongolo enti-mampiroborobo ny famokarana. Sakana ny fahazoana fampitaovana hanatsarana ny fihariana, voatery atao sorona ny tombom-barotra ahafahana misitraka fitaovana sy fotodrafitrasa. Mazàna, sakana ho an’ny fampiroboroboana ny famokarana ny olan’ny famatsiam-bola sy ny fitaovana enti-miasa. « Ho an’ny mpisehatra amin’ny tongolo dia voatery ny […]

TARATRY ny KANTO

Hisy ny velakevitra momba ny haisoratra, hotontosaina rahampitso, manomboka amin’ny 2 ora sy sasany, etsy amin’ny Tranombokim-pirenena Anosy. Ireo andrarezina amin’izany no hitarika, ahitana an’i Jean Nalisoa Ravalitera, hamakafaka ny lohahevitra « Literatiora marolafy, mifanaraka amin’ny vanim-potoana », sy Ranoe, hitondra ny « Mpanoratra marojery mandrafitra zava­kanto». Hiverina hiaraka an-tsehatra ve ry zareo […]

Fiaraha-miasa MCC – Filatex : Nahazo jiro ny zaridain’Anatirova

Fanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’ny tsy mian­kina sy ny fanjakana. Tontosa omaly ny fifanaovan-tsonia eo amin’ny minisiteran’ny Kolon­tsaina sy ny serasera amin’ny alalan’ny Ofisin’ny Rovan’i Madagasikara (Ormada) sy ny vondron’orinasa Filatex. Mahakasika ny fanatanterahana ny tetikasa fanazavana ny zaridaina sy ny lalana ao Anatirova izany, amin’ny ala­lan’ny fametrahana jiro mahenika […]