Taratra

Fahatsiarovana ny 13 mey 72 : Hamafisina ny fandriam­pahalemana eto Antananarivo

13 mey 1972 – 13 mey 2025. Feno 53 taona katroka anio ny hetsi-bahoaka teo anoloan’ny Lapan’ny Tanàna, Antananarivo Renivohitra, nitarika ny fiafaran’ny Repob­lika I, izay namoizana ain’olona ampolony. “Tsy maintsy mailo ihany amin’ny fitandroana filaminana. Satria betsaka ny ambana”, hoy ny prefet de Police, Antananarivo, ny jeneraly Ravelonarivo Angelo, […]

Rabary Paul : “Mila mazava ny drafi-pandaminana ny Base Toliara”

Hatramin’izao, mbola ma­habe resaka ny tetikasa Base Toliara. Maneho ny fijeriny ny mpandinika fiarahamonina sady filohan’ny antoko Ny Fireneko, Rabary Paul : “Tsy ny tetikasa Base Toliara no ratsy fa ny drafi-pandaminana eo amin’ny paikady fampandrosoana nasionaly mifandray amin’ny fampandrosoana ifotony no mila mazava. Io àry fa misitraka fampandrosoana tokoa ny […]

Rafidison Ismael Sophie: Mila kojakojaina ny fotodrafitrasa efa vita

Sambany teo amin’ny tantara isam-paritra no nisian’ny fikambanam-behivavy hisehatra amin’ny fikojakojana ny zava-bita, toy ny fotodrafitrasa, eo amin’ny faritra sy ny distrika ary ny kaominina misy azy Fantatra izany nandritra ny hetsika voalohany nasehon’ny fikambanam-behivavy “Anakaviny Zaman-jaza”, izay efa mijoro isaky ny distrika miisa fito mandrafitra ny faritra Atsi­nanana ary […]

VAOVAO TAMBATRA

Natao ny 5 mey teo ny fanaraha-maso ny asa any amin’ny RN12. Mirefy 2 km ny asa fanarenan-dalana natao any amin’ny kaominina Ambila, eo anelanelan’ny tanànan’i Manakara sy Fitovinany. Tanteraka izany, vokatry ny fandaharanasa Defis, eo ambany fiahian’ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana (Minae), vatsian’ny Fida miaraka amin’ny UNOPS vola. […]

Fandoavam-bola niomerika: Manohana ny fanjakana ny Airtel Money

Nampahafantarina ofisialy ny 9 mey teo, ny fiaraha-miasan’ny Airtel Money sy ny Rafitra fifanakalozam-baovao hitantanana ny vola miditra amin’ny fanjakana ankoatra ny hetra (SIGRNF) eo anivon’ny Fitantanana foibe ny sampana informatika ao amin’ny Tahirimbolam-panjakana, eo ambany fiahian’ny minisiteran’ny Toekarena sy ny Fitanta­nambola (MEF). Azo aloa amin’­ny Airtel Money ny saran’ny […]