Taratra

Fahasalamana: Mitentina 19 miliara Ar ny tetibola ividianana fanafody

Nitondra ny tsara ho fantatra momba ny fitantanana fanafody eny amin’ny tobim-pahasalamana sy hopitalim-panjakana ny tomponandraikitra ao amin’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka, omaly. Tsy mazava amin’ny olona ny fitsinjarana fa­nafody sy ny karazam-panafody sitrahina maimaimpoana, izany indrina no antony nitondrana ny fanazavana. Hatraiza ny fanomezana fanafody maimaimpoana ary kazarana fanafody inona avy […]

TARATRY ny KANTO

Hamerina ireo hiran’i Bessa sy Lôla ry Mahery, Nanie, Farakely ary Faniry Raelison. Hotontosaina rahampitso ity seho ity, ao amin’ny CCEsca Antanimena. Saika ireo hira rehetra nahafantarana an’i Bessa sy Lôla no haverin’izy ireo amin’io, raha ny fanazavana. Nilaza rahateo i Mahery fa efa nangata-tsodrano tamin’ny tompon-kira, nandritra ny fandalovany […]

Fandaharam-pianarana: Mila omena vahana ny kolontsaina

Efa ela no naroso tamin’ny tomponandraikitra isan’ambaratonga ny tolo-kevitra tokony hanomezana vahana ny kolontsaina malagasy any amin’ny fandaharam-pianarana. Hatramin’izao, mbola tsy tafapaka ihany ny hafatra. Io anefa, no antoka iray ahafahana manabe sy mamerina ny taranaka malagasy ho tena tompon’ny tenany, taniny, fombany, ny maha izy azy manontolo. Tsy ampy […]

Kolontsaina sy zavakanto : Manana ny amby ampy fa tsy voatrandraka

Toa mijanona eo amin’ny « manan-karena ny kolontsaina malagasy ». Dia, inona no tohin’io? Tsy fantatra mazava… Anisan’ny antony mampanan-karena ny kolontsaina sy ny zavakanto malagasy ny velaran’i Ma­dagasikara. Midadasika ny tany, marobe ny kanto ao aminy. Iray amin’ireo firenena manana io haren’ny fahasamihafana io ity Nosy ity. Ha­tramin’izao, anefa, […]