Tranga iray anisan’ny mahavariana eo amin’ny tontolon’ny hira malagasy. Manana mpamoron-kira maro i Madagasikara. Saingy, sahirana vao mahasarika mpihaino ny kalon’Imerina iray, raha amin’izao vanim-potoana izao. Na ireo heverina fa mpanakanto sangany aza, manontany tena. Tsy tian’ny mpijery fampisehoana, loatra, ny hira vaovao raha oharina amin’ireo voaforona teo aloha. Ireo […]
Taratra
VAOVAO TAMBATRA
Mitotaly 150 mianadahy ireo mpianatra avy amina Anjerimanontolo nisitraka fiofanana arakasa anatin’ny fandaharanasa Pôle Stage Madagascar (PSM). Voaresaka tao anatin’ny telo andro nanaovana ny hetsika ny kolontsain’ny fandraharahana nandraisan’ireo mpisehatra maro samihafa anjara. Tanjona ny hanamorana ny fitadiavana fiofanana arakasa ho an’ireo tanora ka hananany fahaiza-manao mifanaraka amin’ny filan’ny orinasa. […]
Nandritra ny 15 taona: Mahatratra 15 tapitrisa ny mpanjifa MVola
Orinasa voalohany eto Madagasikara misehatra amin’ny fikirakirana vola niomerika ny MVola, niorina ny taona 2010. Tao anatin’izay 15 taona izay, efa tafakatra 15 tapitrisa ny olona manana kaonty MVola. Mahatratra 50 000 ny Cash point mikarakara ny fifanakalozam-bola sy 10 000 mpivarotra antsinjarany, miparitaka an-tanàn-dehibe sy ambanivohitra. Mamaly ny filan’ny mpanjifa […]
Aoka ho sahy
Vita indray aloha iny ny « tabataba party » niarahan’ny mpikirakira tambajotran-tserasera niresaka politika. Samy naka aina, omaly. Samy nipetraka tamin’ny toerany avokoa ny mpifanasa vangy, indrindra ny tsy mitovy firehana mahakasika ilay raharaha kolonely nalazabe resaka iny. Samy nitazana ny fivoaran’ny zava-drehetra. Miandry rahateo ny tohin’ilay fanambarana tamin’ny kaonty Facebook […]
Meso Capital Madagascar : Hanamora ny famatsiam-bola ny orinasa madinika
Tosika ho an’ny fahazoana famatsiam-bola an’ireo orinasa madinika (TPE) ny Tahiry Meso Capital Madagascar. Rafitra napetraky ny Fivondronan’ny mpandraharaha malagasy (Fivmpama) hanohanana sy hampihodinana ary hampiroboroboana ny fandraharahana eto Madagasikara. Fepetra takina ao anatin’ny rafitra ny fanarahan-dalàn’ny orinasa iray mba hahafahany misitraka famatsiam-bola avy amin’ireo banky. « Hanampy amin’ ny fanatanterahana […]