Lehilahy iray tokony ho 50 taona, nitsambikina tao anatin’ny ranon’Ikopa Tanjombato, afakomaly maraina. Hitan’ny olona nilatsaka tao izy, ary ora vitsy taorian’izay dia efa nitsingevana ny vatana mangatsiakany. Tsy fantatra mazava ny antony nahatonga ity raim-pianakaviana namono tena ity. Nalain’ny havany teny amin’ny tranom-patin’ny HJRA Ampefiloha ny razana, omaly maraina. […]
Taratra
Tombanana ho nisy namono : Lehilahy iray hita faty tetsy Ambohidrapeto
Lehilahy iray tokony ho 45 taona, hita faty teny amin’ny fokontany Avaratsena, kaominina ambanivohitra Ambohidrapeto, afakomaly, tokony ho tamin’ny 8 ora maraina tany ho any. Hita nianjera tamin’ny arabe, teo amin’ny sisin-dalana izy. Nahitana ratra sy kiaka mafy teo amin’ny lohany, nandritra ny fahitana ny razana teny an-toerana. Tsy nahitana […]
Tanambao V: Dekonina namoy aina teo am-pamakiana teny
Nitolefika tampoka teo am-pamakiana tenin’ny soratra masina, tao amin’ny Fiangonana FJKM Betela Tanambao-V, omaly maraina tokony ho tamin’ny 06 ora sy sasany, ny lehilahy iray 45 taona. Nezahina novonjena izy saingy tsy tana ny ainy, taorian’izay. Teo am-pamakiana ny vakiteny fahatelo, nalaina tao amin’ny TesalonianaIII, 3,1-12, fotoam-pivavahana voalohany no niseho […]
Fiara namboarina, nangalarina nentina : 4×4 sy sprinter nifandona, olona valo maty, 18 naratra
Nifandona ny fiara 4×4 sy taxi-borosy iray teny amin’ny Lalam-pirenena fahenina, afakomaly alina. Vokany, valo namoy ny ainy, 18 naratra. Fiara namboarina, nangalarin’ny mpanamboatra nentina ny iray, hoy ny mpitandro filaminana. Nandriaka ny ra, teny amin’ny lalam-pirenena fahenina, noho ny lozam-pifampivoizana nitranga, afakomaly alina tokony ho tamin’ny 9 ora . […]
Karate – Fifaninanana maneran-tany : Miantso fanampiana ireo ray aman-dreny
Hiatrika ny fiadiana ny amboara maneran-tany amin’ny taranja karate, ny 14 -18 oktobra ho avy izao, any Pologne, sokajy lahy sy vavy, ireo mpikatroka malagasy efatra mianadahy, i Ornella Iriantsoa, Ayrton, Tiary, ary Mathieu. Manoloana izany, manao antso avo amin’ny fanjakana ny ray aman-drenin’izy ireo. Raha ny fanazavana nataon’izy ireo, […]




