Tsy namaly firy ilay ampamoaka nambaran’ ny Kly Rakotomamonjy Patrick ny praiminisitra Ntsay Christian, omaly, teny Tsimbazaza, raha nanontanian’ny mpanao gazety. Nambarany fa efa namaly izany ny minisiteran’ny Fiarovana. “Maromaro ireo anarana voatonona ao ka efa miroso ny fanadihadiana lalina momba izany”, araka ny nambarany. Nitaky ny tsy hampiandrasan’ny minisitra […]
Taratra
Filohan’ny Antenimierampirenena: « Hamafisina ny ezaka efa natao »
“Momba ny fiainana andavanandron’ny mponina, mbola mampirisika hatrany ny governemanta sy ny tomponandraikitra samihafa hanamafy sy hanatsara ny ezaka efa ataonareo amin’ny ady amin’ny tsy fandriampahalemana ny Antenimierampirenena”. Io no anisan’ny nambaran’ny filohan’ny Antenimierampirenena, i Tokely Justin, tamin’ny kabary fanombohana ny fivoriana ara-potoana voalohan’ny Antenimiera teny Tsimbazaza, omaly. Mampitaraina vahoaka […]
Banja malalaka
Ohatra ny mafampana hafahafa izany ilay toe-draharaha politika amin’izao fotoana izao. Inona ny zava-misy marina any ambadika any? Izay no fanontaniana mivoaka am-bavan’ilay Malagasy manara-baovao. Tsy mahasakana azy hanaraka ilay raharaha politika ny fahantrana mikiky ny andavanandrom-piainany. Hatreto, tsy misy mahay izay zava-dalina fonosin’ireto karazana fanambarana miseholany etsy sy […]
Filoha Rajoelina Andry : Hifandray mivantana amin’ny besinimaro
Namoaka fanambarana fohy tao amin’ny tambajotran-tseraserany ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry, omaly. Nandray fanapahan-kevitra ho amin’ny fanatsarana ny fomba fiasa sy ny fitantanana ny tenany. «Nandray fanapahan-kevitra aho ankehitriny fa hifandray mivantana aminao”, hoy izy. Nanteriny tamin’izany fa manan-jo hahalala ny zava-misy marina rehetra ny tsirairay. “Adidy iombonana ny fampandrosoana […]
TSELATRA
Nifanenjehin’ny olona saingy tsy tratra ireo jiolahy roa tompon’antoka tamin’ny fanendahana sady mpisintona finday anaty taxi-be, omaly, teny Anosibe. Mitsofoka anaty elanelan-trano ry zalahy ary efa misy olona manafina azy, araka ny filazan’ireo mahafantatra azy ireo. Tsy sahy mitoroka ny olona noho ny tahotra ka vao mainka manao ny ataony […]




