Notanana atao andrimaso eny anivon’ny zandarimaria ireo dimy lahy nandratra telo mianaka vokatry ny ady tany tao amin’ny fokontany Mahazina, kaominina Ilaka Centre, distrikan’Ambositra, ny alatsinainy maraina tamin’ny 9 ora. Nitrangana disadisa teo amin’ ny fianakaviana roa samy hafa monina anatin’io fokontany io. Nijinja vary teny an-tsaha ilay fianakaviana iray. […]
Taratra
Nahazo 84 tapitrisa Ar : Mpisoloky roa vavy voasambotra
Tra-tehaka teo Tsaralalàna, ny 3 mey teo, ireo roa vavy mpisoloky efa naharaisan’ny kaomisaria CSP1 fitoriana telo, tao anatin’ny iray volana. Nahazo vola maherin’ny 80 tapitrisa izy ireo. Nandritra ny volana avrily lasa teo, naharay fitoriana avy tamina tompona orinasa momba ireo mpisoloky roa vavy ireo ny polisy. Avo lenta […]
Efatra maty teny By-Pass : Nalefa eny Tsiafahy ilay sinoa, mpamily
Naiditra vonjimaika am-ponja eny Tsiafahy, omaly, ilay sinoa, mpamily, nahafaty olona efatra teny By-Pass. Lozam-pifamoivoizana nitranga ny alin’ny faha-30 avrily. Enina andro taty aorian’ ny nitrangan’ny lozam-pifamoivoizana nahatsiravina tetsy akaikin’ny kianja Elgeco plus By-Pass, nahafatesan’olona efatra, ny 30 avrily lasa teo. Naiditra vonjimaika eny amin’ny fonjaben Tsiafahy, omaly, mandra-piandry ny […]
Kitra, vehivavy – Mada 2024 : Nanao lalao fitsapana ny Askam Afa sy ny Disciples FC
Hotanterahina ny zoma ho avy izao, any Fianarantsoa, ny dingana famaranan’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja baolina kitra, sokajy vehivavy. Ho fiatrehana izany, nanatanteraka lalao ara-pirahalahiana, teny amin’ny Kianja CFFA Iavoloha, ny Askam Afa Itasy sy ny Disciples FC Vakinankaratra. Nisaraka ady sahala, 2 no ho 2, ny roa […]
SOMBIM-BAOVAO
Voahosotra ho tompondakan’ny “Coupe de la Ligue Vakinankaratra”, taranja basikety, ny ekipan’ny JEA Vakinankaratra sy ny COSPB Analamanga. Fifaninanana notontosaina tany Antsirabe, ny 3 sy 4 mey lasa teo, tao amin’ny Kianja mitafo Vatofotsy. Laharana faharoa kosa ny Ankaratra Vakinankaratra sy ny Ascut Atsinanana. Tontosa ny faran’ny herinandro teo ny […]




