Orinasa voalohany eto Madagasikara misehatra amin’ny fikirakirana vola niomerika ny MVola, niorina ny taona 2010. Tao anatin’izay 15 taona izay, efa tafakatra 15 tapitrisa ny olona manana kaonty MVola. Mahatratra 50 000 ny Cash point mikarakara ny fifanakalozam-bola sy 10 000 mpivarotra antsinjarany, miparitaka an-tanàn-dehibe sy ambanivohitra. Mamaly ny filan’ny mpanjifa […]
Taratra
Aoka ho sahy
Vita indray aloha iny ny « tabataba party » niarahan’ny mpikirakira tambajotran-tserasera niresaka politika. Samy naka aina, omaly. Samy nipetraka tamin’ny toerany avokoa ny mpifanasa vangy, indrindra ny tsy mitovy firehana mahakasika ilay raharaha kolonely nalazabe resaka iny. Samy nitazana ny fivoaran’ny zava-drehetra. Miandry rahateo ny tohin’ilay fanambarana tamin’ny kaonty Facebook […]
Meso Capital Madagascar : Hanamora ny famatsiam-bola ny orinasa madinika
Tosika ho an’ny fahazoana famatsiam-bola an’ireo orinasa madinika (TPE) ny Tahiry Meso Capital Madagascar. Rafitra napetraky ny Fivondronan’ny mpandraharaha malagasy (Fivmpama) hanohanana sy hampihodinana ary hampiroboroboana ny fandraharahana eto Madagasikara. Fepetra takina ao anatin’ny rafitra ny fanarahan-dalàn’ny orinasa iray mba hahafahany misitraka famatsiam-bola avy amin’ireo banky. « Hanampy amin’ ny fanatanterahana […]
TSELATRA
Notanana vonjimaika am-ponja, afakomaly, ilay ramatoa nahatrarana rongony 75 gony, nilanja 1252 kg, tao amin’ny kaominina Analamary, distrikan’i Betroka. Vadin’ny sefon’ireo ekipa nitatitra ny entana io ramatoa io. Lavon’ny zandary i Grégoire, ilay dahalo raindahiny amin’ny vaky trano sy fandrobana tao amin’ny kaominina Ankadinondry, ny 5 mey teo, tamin’ny 11 […]
Herinandro nifampitadiavana: Tambajotra mpangalatra taribin-jiro tratra
Enin-dahy mpangalatra taribin-jiro an’ny orinasa Jirama voasambotry ny zandary ao amin’ny Vondron-tobim-pileovana Atsinanana, ny talata 6 mey teo. Nitrangana halatra tariby teny amin’ny lalam-pirenena faharoa, PK 322, tamin’ny 25 avrily lasa teo. Nalain’ny olon-dratsy avokoa ny taribin-jiro miasa amin’ny fokontany Antanambiriky, Antananambo, hatrany Melville. Nahatratra 1 020 metatra ny refin’ny tariby […]




