Taratra

Kaominina Brieville : Mpaka an-keriny maty voatifitra

Lavon’ny balan’ny mpitandro filaminana tao amin’ny fokontany Malama­maina, kaominina Brieville ny dahalo mpaka an-keriny, ny zoma 25 avrily teo, tamin’ny 4 ora. Mpaka takalonaina tao amin’ny distrikan’i Tsarata­nàna, voasambotry ny mpitandro filaminana ny 23 avrily lasa teo, tao amin’ny fokontany Antsampandrano io olon-dratsy io. Noterena hilaza ny toerana hisitrihan’ireo mpiara-manao […]

VAOVAO TAMBATRA

Mipetraka ny tetikasa fanodinam-bokatra any amin’ny faritra Androy. Voakasik’izany ny vokatra mangahazo, ny apemba, ny varim-bazaha, ny vomanga, ny soja ary ny katsaka. Misahana azy ny tetikasa Purpa, fiaraha-miasa amin’ny Tahirimbola ho an’ny fambolena, famatsiam-bola avy amin’ny Banky afrikanina ho an’ny fampandrosoana (Bad). Tanjona ny hampihenana ny fanafarana avy any […]

Fiaraha-miasa COI : Rano fisotro madio eny Fieferamanga

Misy ny fiaraha-miasa ao anatin’ny Vaomieran’ny ranomasimbe Indianina (COI), andraisan’ny orinasa frantsay Fonto de Vivo anjara. Nidina any Fieferamanga, distrika Arivonimamo, ny Sekreteram-panjakana miadidy ny fahavitan-tena ara-tsakafo (SESA), Razanamahefa Tahian’Ny Avo ny 21 avrily teo. Nojereny ny fivoaran’ny tetikasan’ny Filoham-pirenena « Ankoho­nana Miarina ». Nampaha­fantarina ny fiaraha-miasan’ny governemanta malagasy sy ny orinasa […]

Jirama sy Filatex: Hamokatra angovo 68,5 MW fanampiny

Miara-miasa ny Jirama sy ny vondrona Filatex Energies, hanitarana ny angovo herinaratra eto amintsika. Voakasik’izany ny hananganana fotodrafitrasa famokarana angovo azo havaozina sady azo avy amin’ny herin’ny masoandro, mitotaly 68,5 MW, ka hapetraka amin’ity taona 2025 ity ny 25 MW ary amin’ny taona 2026 ny 43,5 MW. Hampifandraisina amin’ny tambajotran’ny […]