Mitsinjo ny fampivoarana ny fambolen’ny tantsaha ny orinasa Base Toliara. Anisan’izany ny fanomezana masomboly voamaina sy vary fotsy. Miisa 18 ny fokontany ao anatin’ny kaominina Tsianisiha sy Ankilimalinike, nisitraka fanampiana avy amin’ny orinasa Base Toliara, ny 18 sy 19 avrily teo. Nahitana masomboly kabaro miisa 133 gony sy vary fotsy […]
Taratra
INDRAY MIJERY
Nampivarahontsana ny mpianatra sy ny ray aman-dreny ny fahavoazana nihatra tamin’ireo mpianatra nanao dia fibeazana tany Mahajanga. Maro ny fanehoan-kevitra nivoaka ary samy naka lesona ny rehetra. Ao ireo nandray fanapahan-kevitra tsy handefa ny zanany intsony satria tena raiki-tahotra. Natao ny zoma sy sabotsy teo, manerana ny Nosy ny fifaninanana […]
Hopitaly: Manao ezaka amin’ny fandraisana tsara
Noresahin’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka ny kalitaon’ny fandraisana marary eny amin’ny tobim-pahasalamana fototra sy ny hopitalim-panjakana. Raha ny fanehoan-kevitry ny olona dia betsaka ireo tsy afa-po amin’ny tolotra sy fandraisana eny amin’ny tobim-pahasalamana. Maty ho azy ny marary raha tsy misy vola… Ny Dr Ramarolahy Andriantiaray Rija, tale jeneraly misahana ny tolotra […]
Fahasalamana : Mandray ireo marary mafy amin’ny alina
Mampitaraina ny olona mitondra raharaha eny amin’ny tobim-pahasalamana ny tsy fisian’ny mpiasan’ny fahasalamana rehefa ora fisakafoana na rehefa amin’ny alina. Nanazava ny tomponandraikitra fa misokatra amin’ny fotoana rehetra isan’andro amin’ny ora rehetra ny tobim-pahasalamana. Izay no nametrahana ny lehiben’ny CSB akaikin’ny toeram-pitsaboana mba hahafahana miantso azy haingana. Nasiana trano ho […]
Ady amin’ny tazomoka : Ilaina ny mamboly zavamaniry mandroaka moka
Aretina mbola mamono olona eto Madagasikara ny tazomoka. Manohy ny ady amin’ity aretina ity ny fanjakana. Ilaina isan-tokantrano koa ny mamboly ireo zavamaniry mandroaka moka. Fambolena zava-maniry mandroaka moka no nanamarihana ny Andro maneran-tany iadiana amin’ny aretina tazomoka, teny Androhibe, ny zoma teo. Cyprès, kininim-potsy, veromanitra, balisama, pervenche, solila, romarin […]




